Notontosaina ny alakamisy sy zoma teo, tetsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny fivoriambe nasionaly nokarakarain’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Nilaza ny lehibe an’ny FMF, Randriamanampisoa Alfred, fa hotolorana lelavola 3 hetsy Ariary, isaky ny telo volana avy ireo mpilalao fahiny mihoatra ny 60 taona, efa nandalo tao amin’ny ekipam-pirenena. […]
Mois : décembre 2024
Rugby- XXL Top 12: tsy mbola misy mahatohitra ny Cosfa sy ny FTM
Notontosaina teny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny tohin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina lavalava “rugby”, XXL Top 12. Tsy nisy ny vokatra tsy ampoizina, mbola manjaka tanteraka amin’ ity fifanintsanana ity ireo klioba vaventy, toy ny Cosfa Miaramila sy ny FTM Manjakaray. Raha ny voka-dalao azo teny an-toerana, […]
Nandresy an’i Eswatini: Efa any amin’ny «Chan 2025» ny tongotra ilan’ny Barea
Tsara fiiditra ny Barea de Madagascar, eo amin’ny fifanintsanana hiatrehana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ireo mpilalao tsy misy mpilaravinahitra «Chan 2025 », taranja baolina kitra. Resiny teo amin’ny lalao mandroso i Eswatini. Fahombiazana ny vokatra azon’ny Barea de Madagascar teo amin’ny lalao mandroso, hiadiana ny tapakila hiatrehana ny […]
TARATRY ny KANTO
“Mozika an-dalambe”. Hetsika natao hanandratana ny mozika, andaniny, fa indrindra ho fanasoavana ny mpiara-belona, ankilany, izy ity. Mpanakanto maro no nifandimby tetsy amin’ny Carrefour Ankorondrano, ny sabotsy teo. Mizara mozika sy manentana ny mpiara-belona hanome izay foy ho an’ireo sahirana eto an-tanàna izy ireo. Mbola hitohy amin’ny sabotsy 28 desambra […]
Reko Band : Mitohy ary mazava ny lalana
Fanamby goavana no tontosa. Mozika tsara kalitao, seho nihazona ny maso sy ny sofina, nandona ny fanahy. Voasoritra ny lalan’ny Reko Band… Dingana goavana eo amin’ny tantaran’ny tarika malagasy iray izany nisedra ka nahita fahombiazana ao amin’ ny Lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina Mahamasina izany. Tontosan’ny Reko Band anefa izany, […]




