Mois : janvier 2025

Sary hosodoko : Asa tanana mitondra anjara biriky amin’ny sehatry ny fanabeazana

Kolontsaina iray anisan’ny manana ny anjara toerany eo amin’ny sehatry ny fanabeazana ny hafatra entin’ny sa­ry hosodoko. An­tony iray mahatonga ny mpanao asa tanana manao iza­ny ary ny fanjifan’ ny olona azy ireny. Manabe sy mitaiza toe-po sy toe-panahy ho an’ny olon-drehetra ny haikanto, anisan’izany, ny hafatra entin’ny sary hosodoko. […]

Fiarovana ny tontolo iainana: Namboly hazo tamina velaran-tany 500 ha ny Foloalindahy

Natomboka tamin’ny fomba ofisialy teny Tampoketsa, distrikan’Ankazobe, omaly, ny fambolen-kazon’ny minisiteran’ ny Foloalindahy. Nandray anjara tamin’izany ny miaramila avy amin’ireo rantsamangaikan’ny minisitera, ny avy amin’ny zandarimariam-pirenena, notronin’ny avy ao amin’ny polisim-pirenena, ny mpiasa sivily ary ny attaché de défense ao amin’ny masoivohon’i Etazonia. Nitarika izany ny minisitry ny Foloa­lindahy (MFA), […]

Orinasa Star: Tosika ho an’ny mpianatra mba hahomby

Ankoatra ny fihariana ara-toekarena, manana ny « An­draikitry ny orinasa amin’ny fiarahamonina » (RSE) ny Star. Anisan’izany ny fanampiana amin’ny fanabeazana ny ankizy anaty fianakaviana sahirana, nefa mahomby any am-pianarana. Misy ny fiaraha-miasany amin’ny Consulat de Monaco sy ny mpiara-miombon’antoka samihafa. Mitentina 10 tapitrisa Ar ny vatsim-pianarana natokana ho an’ny tanora miisa […]

VAOVAO TAMBATRA

Hatomboka ny volana marsa ny fananganana ny tobim-pamokaran-drano 50 000m3 isan’andro eny Amoronakona. Hamokatra rano 30 000m3 isan’andro koa ny tobim-pamokarana apetraka ao Ambohitri­manjaka. Eo ihany koa ny fampitaovana ny toby mpamokatra rano ao Mandroseza, izay tafiditra ao anatin’ny tetikasa PAEP sy Tana Water III. Heverina hamokatra zezika organika 30 000 t isan-taona […]

Alaotra PC 23 : Hozaraina ny ketsa iombonana

Hita ny vahaolana ! Tara ny fotoana fanentsana ny vary vakiambiaty any Alaotra, sompitr’i Madagasikara, satria tsy ampy ny rotsakorana. Voakasik’izany ny faritra lemaka PC 23. Vahaolana noraisin’ny fitondram-panjakana ny fanaovana « ketsa iombonana » ho an’ny mpamboly. Sambany nampiharina tany an-toerana ity paikady ity, ka natao ho vala fakan-tahaka ihany koa amin’ny […]