Hiampy indray ireo vary hiparitaka sy amidy mora eny an-tsena. Andrasana tsy ho ela ihany koa ireo vary nafarana entina hamatsiana sy hamaliana ny filan’ny mpanjifa. Efa mitoby ao amin’ny fanatobian’entana ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina amin’izao ireo vary milanja 22 500 t raha manodidina ny 90 000 t kosa ny heverina ho […]
Mois : janvier 2025
Zazakely iray maty… : Taksiborosy nifatratra tamin’ny kamiaobe
Nampahonena ! Nitrangana lozam-piarakodia namoizana ain’olona indray teny amin’ny lalam-pirenena fahefatra (RN4) tao Anjiajia, fokontany Marotaolana, kaominina ambanivohitr’Antsifabositra, distrikan’i Maevatanàna, PK 266+600, omaly. Taksiborosy iray avy any Antsirabe hihazo an’i Mahajanga no tratran’ny olana tao amin’ny hisatra (frein) ka tsy nahatazona ilay fiara. Nandeha mafy anefa ny fiara tamin’io fotoana io. […]
Baolina kitra : Nihemotra ny fanombohan’ny PFL
Raha efa voatondro ho ny 1 feborary ho avy izao no hanombohan’ny fifaninanam-pirenena amin’ny baolina kitra na ny Pureplay Football League (PFL 2025), nihemotra herinandro indray izany. Notapahin’ny Club de football elite de Madagascar (CFEM), tomponandraikitra voalohany amin’ity fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara ity, fa ny 8 sy 9 febroary […]
Fiaraha-miasan’ny FMI sy ny MFFT : Hamafisina ny ady amin’ny mpangalatra tany
Noraisin’ireo tomponandraikitra eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), Anosy, omaly, ireo iraka avy amin’ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI). Nivoitra tamin’izany ny fifanakalozana eo amin’ny roa tonta amin’ny hanohizana ny ezaka hiadiana amin’ny kolikoly sy ny fangalarana tany. Voatsiahy tamin’ izany ny fiaraha-miasan’ny MFFT amin’ireo rafitra samihafa, toy […]
INDRAY MIJERY
Nisy ny hetsika fampahafantarana sy fanentanana momba ny ady amin’ny famarinana olombelona. Notanterahin’ny ekipan’ny BNLTEH ho an’ny fikambanana Mitsangana Fa Viavy (MFV) any atsimon’ny Nosy izany. Naneho ny fahavononany hitondra ny anjara birikiny ary hanambatra ny hery hiadiana amin’ny famarinana olombelona ity fikambanana ity rehefa nahazo ny tsara ho fantatra […]




