Mbola hitohy hatrany ny orana tandrifin-drahona ho an’ny faritra afovoany andrefana sy avaratra andrefan’ny Nosy, manomboka androany hatramin’ny alatsinainy ho avy izao, raha ny fampahafantarana navoakan’ny foibe famantarana ny toetr’andro. Ho maina kosa ny any amin’ny faritra ambiny rehetra, raha ny vinan’izy ireo hatrany. Ho an’ny toetr’andro, anio manokana, hisy sisan’orana tandrifin-drahona any amin’ny morontsirak’i Boeny, Sofia, Diana, Melaky ary Menabe. Handrahona vitsy na handrahona kosa ny eto afovoantany. Handrahona mitsitokotoko na hibaliaka ny masoandro any amin’ny faritra hafa.
Manodidina ny 14° – 26 °C ny maripana
Manodidina ny 14 hatramin’ny 26°C ny maripana mandritra ireo telo andro ireo. Ho an’Antananarivo manokana, 17°C ny maripana ambany indrindra ary 28°C ny ambony indrindra. 14°C kosa ny maripana ambany ho an’Antsirabe, raha toa ka 27° ny ambony indrindra. 26°C ny maripana ambany ho an’i Toliara, raha tafakatra 35°C ny ambony indrindra. Hahatratra hatramin’ny 36°C ny maripana ambony indrindra ho an’Antsiranana sy Ranohira.
Mino