Tsy i Madagasikara irery akory no may fa izao tontolo izao mihitsy. Nanaitra ary mampametra-panontaniana ny faharavan’ny tanàna maro any Los Angeles hatrany Hollywood. Tsy mahahenjana ny henjana ny loza voajanahary. Ana hetsiny ny traboina sy rava fananana. Trano an-tapitrisany dolara, fiara maro no lasa lavenona. Loza tsy azon’ny saina […]
Mois : janvier 2025
Fitakian’ny RMDM: “Ampahafantaro ireo ordonnances aman’aliny”
Amin’ny anaran’ny mangaraharaha, araka ny fitakiana. Nitondra valin-kafatra ho an’ny eo anivon’ny Ceni ny avy amin’ ny Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia (RMDM). Nambaran’ny mpitarika, ny pasitera Tsarahame Edouard, tamin’izany, fa nampahafantarin’ny Ceni sy naseho ampahibemaso ny taratasy fangatahan’ny kandidà Ravalomanana Tojo, ny ordonnance nahafahany miditra anaty lisi-pifidianana. “Koa takinay […]
Tselatra
Nasesin’ny jiolahy ny tokantrano miisa telo tao amin’ny fokontany Belobaka, Mahajanga II, afakomaly tamin’ny 2 ora maraina. Niantso vonjy tamin’ny manodidina sady nitsioka kiririoka ny lasibatra ka tsy nahazo na inona na inona ireo jiolahy. Raim-pianakaviana iray niezaka niaro tena voafiran’ny antsy nataon’ireo mpandroba. Renim-pianakaviana roa sy zazalahy 10 taona […]
Valanjavaboahary MAY: tratra ireo mpandoro ala tao Andohahela
Voasambotry ny mpitandro filaminana ny 9 janoary 2025 teo, ireo jiolahy enina tompon’antoka tamin’ny firehetana tao amin’ny valanjavaboahary Andohahela, Faritra Anosy. Ny mpitandro filaminana eo anivon’ny sampandraharaham-paritra misahana ny Tontolo iainana no nahasambotra ireto jiolahy ireto. Fantatra fa tompon’antoka tamin’ny fandorana ala tao Emanaka, fokontany Ambaniala, kaominina Ampasay Nahampoana, Faritra […]
Tranombarotra voatafika: lasan’ny jiolahy ny volabe
Notafihin’ny dimy mianadahy mitam-piadiana, voaroba ny volabe, tao amin’ny tranombarotra iray. Nataon’izy ireo tao anaty gony, tao amin’ny tranon-jiro Ankirihiry, Toamasina, omaly atoandro tamin’ny 12 ora sy sasany, izany. Andian-jiolahy dimy mianadahy no niara-nanatontosa io fanafihana io. Ny telo niditra avy hatrany fa niandry teo ivelany kosa ny namany. Vehivavy […]




