Kolontsaina iray anisan’ny manana ny anjara toerany eo amin’ny sehatry ny fanabeazana ny hafatra entin’ny sary hosodoko. Antony iray mahatonga ny mpanao asa tanana manao izany ary ny fanjifan’ ny olona azy ireny. Manabe sy mitaiza toe-po sy toe-panahy ho an’ny olon-drehetra ny haikanto, anisan’izany, ny hafatra entin’ny sary hosodoko. […]
Mois : janvier 2025
Fiarovana ny tontolo iainana: Namboly hazo tamina velaran-tany 500 ha ny Foloalindahy
Natomboka tamin’ny fomba ofisialy teny Tampoketsa, distrikan’Ankazobe, omaly, ny fambolen-kazon’ny minisiteran’ ny Foloalindahy. Nandray anjara tamin’izany ny miaramila avy amin’ireo rantsamangaikan’ny minisitera, ny avy amin’ny zandarimariam-pirenena, notronin’ny avy ao amin’ny polisim-pirenena, ny mpiasa sivily ary ny attaché de défense ao amin’ny masoivohon’i Etazonia. Nitarika izany ny minisitry ny Foloalindahy (MFA), […]
Orinasa Star: Tosika ho an’ny mpianatra mba hahomby
Ankoatra ny fihariana ara-toekarena, manana ny « Andraikitry ny orinasa amin’ny fiarahamonina » (RSE) ny Star. Anisan’izany ny fanampiana amin’ny fanabeazana ny ankizy anaty fianakaviana sahirana, nefa mahomby any am-pianarana. Misy ny fiaraha-miasany amin’ny Consulat de Monaco sy ny mpiara-miombon’antoka samihafa. Mitentina 10 tapitrisa Ar ny vatsim-pianarana natokana ho an’ny tanora miisa […]
VAOVAO TAMBATRA
Hatomboka ny volana marsa ny fananganana ny tobim-pamokaran-drano 50 000m3 isan’andro eny Amoronakona. Hamokatra rano 30 000m3 isan’andro koa ny tobim-pamokarana apetraka ao Ambohitrimanjaka. Eo ihany koa ny fampitaovana ny toby mpamokatra rano ao Mandroseza, izay tafiditra ao anatin’ny tetikasa PAEP sy Tana Water III. Heverina hamokatra zezika organika 30 000 t isan-taona […]
Alaotra PC 23 : Hozaraina ny ketsa iombonana
Hita ny vahaolana ! Tara ny fotoana fanentsana ny vary vakiambiaty any Alaotra, sompitr’i Madagasikara, satria tsy ampy ny rotsakorana. Voakasik’izany ny faritra lemaka PC 23. Vahaolana noraisin’ny fitondram-panjakana ny fanaovana « ketsa iombonana » ho an’ny mpamboly. Sambany nampiharina tany an-toerana ity paikady ity, ka natao ho vala fakan-tahaka ihany koa amin’ny […]




