Tontosa, omaly, tetsy amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely ny fametrahana amin’ny fomba ofisialy ho ben’ny Tanàna an-dRamanantsoa Harilala. ” Tsy sakana amin’ny fampandrosoana ny politika”, hoy izy. “Manantena aho fa ny politika dia tsy sakana intsony ho amin’ny fampandrosoana ny tanàna”, hoy ny ben’ny Tanàna, Antananarivo Renivohitra, Ramanantsoa Harilala, tamin’ny lanonana […]
Mois : janvier 2025
TSELATRA
Tsy mbola nisy tratra ireo gadra 14 nandositra tany amin’ny fonjaben’i Maintirano, ny talata 21 janoary lasa teo. Voalaza fa nihanika tamboho izy ireo ka tafaporitsaka. Voaheloka higadra mandrapahafaty, hiasa asa an-terivozona 20 taona, 15 taona, 10 taona, fito taona izy ireo. Voaheloka tamin’ny fanolanana, vono olona, fangalarana sy ny […]
Fifamalian’ny mpivady : Maty notsatohan-dRangahy antsy ny vadiny
Nitrangana ady mivady niharo herisetra ka niafara tamin’ny fandatsahan’aina tany Bealanana II, omaly maraina. Tsy nahatana ny hatezerany diso tafahoatra ny lehilahy iray manodidina ny 24 taona, nandritra ny fifamaliana nisy teo amin’izy mivady. Naka antsy izy avy eo ary notsatohany tamin’io fitaovana maranitra io ny vadiny. Anisan’ny voatsatoka mafy […]
Antohomadinika : Jiolahy roa lahy maty voatifitra
Nifanenjehan’ny polisim-pirenena eo anivon’ny UIR, CUI niampy ny SUT, jiolahy roa lahy niara-lavon’ny tifitra teny amin’ny fokontany IVO Antohomandinika, ny amin’ny alakamisy 23 janoary teo. Renim-pianakaviana iray niharan’ny fanendahana nataon’ny olon-dratsy tamin’io fokontany io. Dimy lahy ireo nanao ny asa ratsy. Naharay fampandrenesana, nanao fisafoana teny amin’ny manodidina ny toerana […]
Antetezanafovoany I : Roa lahy niara-matin’ ny herinaratra
Tovolahy roa samy 17 taona, niara-matin’ny herinaratra tetsy Antetezanafovoany I, omaly maraina. Nanavotra ilay namany ny iray kinanjo niharan-doza izy roa lahy. Nitsirara tamin’ny tany, niendaka avokoa ny hoditra tamin’ny iray amin’ireo roa lahy may ny herinaratra tetsy amin’ny fokontany Antetezanafovoany I, boriboritany voalohany, omaly vao mangirandratsy. « Handeha hivoaka ny […]




