Miakatra ny reniranon’i Sisaony : Olona 2 545 traboina, trano 555 dibo-drano

Mavesatra ny takaitra nentin’ilay ora-mikija nanomboka ny sabotsy teo. Maro ireo trano fefiky ny rano manamorona ny reniranon’i Sisaony. Mitohy ny famonjena ireo traboina.

Miakatra ny reniranon’i Sisaony ary betsaka ny trano dibo-drano, maro ireo traboina tampoka vokatr’izany. Hatry ny sabotsy teo, nanao ny ezaka fanavotana ireo tokantrano fefika ny ekipan’ny BNGRC.
Haingana be ny fiakaran’ ny rano teny Ampitatafika vokatr’ilay rotsakorana tafahoatra iny. Raha 4 m ny filazana mena na loza mihatra dia efa tafakatra 4,45m izany ny sabotsy teo. Nanafaingana ny fiakaran’ny rano ny fivarian’ny rano avy any ambony toa an’Andramasina sy ny faritra hafa.
Tsy niandry ela fa nanomboka ny sabotsy tolakandro dia efa tonga nanao ny vonjy voina teny an-toerana ny BNGRC Tafavoaka ny tranony avokoa ireo navotana rehetra ary natoby tamin’ny toerana fandraisana traboina miisa roa. Nitohy hatry ny sabotsy alina izany famonjena rehetra izany. Miaramila maro kosa no nanatanteraka ny asa.
Raha ny atontanisa ofisialy voarain’ny BNGRC, omaly, miisa 2 545 ireo olona traboina, avy amin’ny tokantrano 555. Olona 1 545 napetraka any amin’ireo toerana miisa dimy fandraisana vonjimaika ireo traboina ao amin’ny distrika Antananarivo Atsimon­drano.
Nitarika ny ekipa namonjy voina ny tale jeneralin’ny BNGRC, ny jeneraly Elack Olivier Andriakaja, nifarimbona tamin’ny Apipa, ny kaomandin’ny zandarimariam-pirenena sy ny Sema eo anivon’ny Tafika, niaraka tamin’ny ben’ny tanànan’ny kaomina Ampitatafika. Teo koa ny fampiasana ny lakana haingam-pandeha an’ny BNGRC, CPC, sy ny sampana mpamonjy voina.
Omaly, tonga nanatitra vatsy ho an’ireo olona traboina ny fitondram-panjakana tamin’ny alalan’ny fifarimbonan’ireo minisitera samihafa niaraka amin’ny BNGRC. Mahazo fitsaboana avy hatrany ihany koa ireo tsy salama.

Tatiana A

Partager sur: