Miara-miombon’antoka ny fanjakana malagasy sy ny orinasa sinoa, Sinomach, miaraka amin’ny teknisianin’ny Akademia sinoa misahana ny siansa ny fambolena any Hainan. Mifantoka amin’ny fananganan’ny Sinomach tohodrano lehibe hanondraka tany
1 000 ha any amin’ny kaominina Ambohibary, distrika Moramanga, ny tetikasa. Tanjona ny hahafahana mifehy ny rano, ka hitombo avo roa hatramin’ny telo heny ny voka-bary. Hampiakatra ny fidiram-bolan’ny tantsaha izany, ary hihena ny fahantrana.
Nidina tany an-toerana, ny 27 febroary teo, ny Sekereteram-panjakana miadidy ny fahaleovantena ara-tsakafo, Razanamahefa Tahian’Ny Avo, nijery ny fizotry ny tetikasa sy ny filan’ny mponina. Notsipihiny fa tsy maintsy hafainganina ny fanodinana ara-pambolena sy ny fanohanana ny mpamokatra ao an-toerana. Homena fiofanana ara-teknika ny tantsaha sy toromarika ara-pambolena manara-penitra. Hofanina ny tantsaha amin’ny fampiasana masomboly nohatsaraina sy ny teknikam-pambolena manara-penitra.
Hisy tetibola hatokana hanatsarana ny lalana ao Ambohibary mivoaka any amin’ny lalam-pirenena faha-44, izay vao vita farany teo, hanamora ny famoaham-bokatra. Hatsangana koa ny ozinina hanodinana ny vary sy ahafahan’ny tantsaha mahita lalam-barotra. Hiteraka asa ho an’ny mponina any an-toerana izany, hampihenana ny fahantrana. Nilaza ny depioten’i Moramanga, Rajaobelina Lova, fa feno ny fepetra hampiroboroboana ny fambolena sy hanatsarana ny andavanandron’ny tantsaha malagasy.
Njaka A.




