Nihaona tamin’ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Sahondrarimalala Marie Michèlle, ny talem-paritry ny Unesco aty Afrika Atsinanana, Haxthausen Louise. Nanamafy ny fiaraha-miasa amin’ny fanatsarana hatrany ny sehatry ny fanabeazana eto Madagasikara ny roa tonta. Nanolotra fitaovana informatika, nahitana solosaina miaraka amin’ny fitaovana fitehirizana antontan-drakitra entina hanatanterahana ny asa eny anivon’ny minisitera sy ny Cisco ny Unesco.
Hahafahana mampihatra avy hatrany ireo fiofanana sy fahaiza-manao nandritra ny tetikasa Papesi sy ny VAE/DE ny fitaovana. Niarahana tamin’ny foibem-pitondrana misahana ny tantsoroka an-tsekoly sy ny fitsirihana pedagojika sy ny foibem-pitondrana misahana ny drafi-panabeazana ary ny foibem-pitondrana misahana ny haitao vaovao izany.
Tanjona iombonana ny hampiakarana hatrany ny lentan’ny fampianarana sy fanabeazana ny ankizy sy ny tanora eto Madagasikara.
Tatiana A




