Hakan’ny mpianatra traikefa : Mijoro ny fikambanana ES.DES

Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy, ny alakamisy teo, tetsy Fiadanana, ny fijoroan’ny fikambanan’ny mpi­anatra eo anivon’ny sekoly tsy miankina ES.DES. Mba hahafahan’ny mpianatra mifanampy sy mifampizara traikefa amin’ny fianarana sy amin’ny sehatra marolafy ny antony nananganana io fikambanana io, raha ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny sekoly. Tanjona ny hahafahan’izy ireo maka traikefa sahady amin’ny sehatry ny asa na dia mbola mpianatra aza. Mba hanomana azy ireo hahay hanangana ny tetikasany sy ny orinasany manokana. Manana anjara andraikitra goavana ny eo anivon’ny fanabeazana manoloana ny fahasahirana sy ny olan’ i Madagasikara. “Anisan’ny anjara biriky hoentinay ny mitaiza sy mitarika ny ankizy hanangana ny fikambanana mba ho antoky ny fampandrosoana ny firenena”, hoy ny talen-tsekoly, Manjaka Rakoto David, tale jeneralin’ny sekoly. Nambarany fa fomba iray hitaizana ny mpianatra ny fitarihana azy ireo any amin’ny fototra. “Manampy ny ankizy hifandray amin’ny hafa sy mampivelatra azy ireo ny fikambanana”, hoy kosa i Nantenaina Rochilla, filohan’ny fikambanana. Ahitana klioba maro samihafa ao anatiny, toy ny mozika, teatra, fianarana teny vahiny sy ny maro hafa. Tanjona ny hisian’ny fifanohanana eo amin’ny samy mpianatra. Marihina fa manana toeram-piofanana 23 manerana ny Nosy ity sekoly ity. Misy ny fianarana hatrehina sy ampitain-davitra. Mba hitondrana fampandrosoana ara-toekarena sy ara-tsosialy eto Madagasikara.

Mino

Partager sur: