INDRAY MIJERY

Efa any amin’ny 150km atsimon’ny Cap ste marie no nisy ny foiben’ilay rivodoza Honde, omaly. Mikisaka manalavitra ny morontsiraka izy io saingy mbola manova ny toetry ny andro ny rahona miaraka aminy. Nahazo fampitandremana amin’ny habetsahan’ny rotsakorana kosa ny faritra Boeny, sy ny distrikan’i Mampikony, Boriziny, Antsohihy, Analalava ary Besalampy.

Miverina an-tsekoly avokoa ny ankamaroan’ny mpianatra manomboka anio. Vita rahateo ny fiatoana kely rehefa nahavita ny Andron’ny sekoly. Miditra amin’ny roavolana mialohan’ny farany amin’ny taom-pianarana ny sekoly raha ny tetiandron’ny fanjakana. Ao anatin’ny hozatry ny fampianarana hanomanana ireo karazam-panadinam-panjakana izany.

Nizarana kopia ireo zaza 152 tao amin’ny boriborintany fahenina, ny faran’ny herinandro teo. Mitohy hatrany ny ezaka kopia ka tanjona ny hizara 6 000 kopia ho an’ny zaza 1 volana hatramin’ny 17 taona. Iarahan’ny CUA amin’ny minisiteran’ny Fitsarana sy ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ary ny OIF ny fanatanterahana izany.

Nidina nanara-maso ny fandehan’ny asa fanamboarana ny hopitaly manara-penitra any farafangana sy any amin’ny distrikan’Ambositra ny minisitry ny Fahasalamana, Andriamanantany Zely. Manamora ny fanatonan’ny olona hitsabo tena ny fahavitan’ireo fotodrafitrasa ireo.

Partager sur: