Karate : Miverina ny fitiavan’ny olona ny taranja

Feno hipoka ny Kianja mitafon’i Mahamasina, nandritra ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, sokajy ankizy sy vehivavy, ny faran’ny herinandro teo. Porofon’ny fiverenan’ny fankafizan’ny olona ny taranja karate izany, raha ny nambaran’ny filohan’ny federasion’ny karate-do malagasy, Ratefinanahary Émile.

Notontosaina ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Kianja mitafon’i Mahamasina, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja karate, ho an’ny sokajy ankizy sy vehivavy. Manodidina ny 500 teo ny mpandray anjara tonga nifaninana ary ligy 20 no nahatonga solontena, raha toa ka tsy afaka ny ligy 3 (Sofia, Diana ary Sava), noho ny fahatapahan’ny lalana. Nohamafisin’ny filohan’ny federasiona, Ratefinanahary Émile, fa tafiditra anatin’ny fifaninanana fanaon’ny FKM isan-taona ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, sokajy ankizy sy vehivavy ary tena natokana mihitsy izany ho fanomezan-danja ny mpikatroka zandriny sy ny vehivavy. Anisan’ny fanamby napetraka ihany koa ny hamerenana indray ny hasin’ny taranja karate sy ny fitiavan’ny olona izany taranja manana ny maha izy azy izany. Tanteraka izany tamin’ity fifaninanana ity satria feno hipoka ary tsy antonona ny mpijery ny teny Mahamasina. Betsaka mifanaraka amin’izany rahateo ireo mpikatroka nandray anjara ka tratra ny tanjona, raha ny fanazavana hatrany.

Misongadina ireo niatrika fampivondronana

Eo amin’ny lafiny teknika sy ny vokatra kosa, mbola hita ihany ny mampiavaka ireo mpikatroka niatrika fampivondronana eo amin’ny fahaiza-manao. Mbola manaporofo ihany koa izany fa zava-dehibe ny fiezahan’ny FKM mampivondrona ireo mpikatroka avy amin’ny ligim-paritra manerana ny Nosy satria miakatra ny haavo teknikan’izy ireo rehefa fifaninanam-pirenena toa izao. Misy ihany anefa ireo mpikatroka vaovao vao misandratra mampiseho ny fahaizany ary mamiratra, hahafahana mijery ireo taninketsan’ny taranja karate izany. Raha izay vokatra izay, mbola nisongadina aloha ny mpikatroka avy eto Analamanga, anisan’ny nahazo medaly volamena betsaka. Tetsy ankilany, tsy ambakan’izany koa ireo avy any amin’ny faritra, nitondra vokatra tsara nody any amin’ny toerana niaviany tsirairay avy. Tanjona ho an’ny federasiona ny hampitovy lenta ny haavo teknika ho an’ny faritra tsirairay ary miezaka manome izay rehetra ilaina, ny ara-pitaovana, ny lafiny fiofanana ho an’ny isam-paritra ny FKM, araka ny fanazavan’ny filohan’ny federasiona hatrany.

Mpampianatra karate 18 nahazo mari-pahaizana

Nifanindry an-dalana tamin’ity fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, omaly, ity ny fanolorana ny mari-pahaizana ho an’ireo mpampianatra karate 18 mianadahy niatrika fiofanana nandritra ny herinandro. Afa-panadinana avokoa izy 18 mianadahy niatrika izany teny amin’ny Akademia sasionalin’ny spaoro, rehefa niatrika fanadinana omaly ka avy hatrany dia nahazo ny mari-pahaizana ho an’ny dingana voalohany dia ny DAF (Diplôme d’animateur fédéral). Zava-dehibe ho an’ny taranja karate ny fananana mpampianatra manana ny fahalalana sy nanaraka fiofanana ho fampivoarana ny teknika ho an’ireo mpikatroka. Izany indrindra no anton’izao fiofanana izao ary hentitra ny federasiona amin’ny tsy maintsy hanarahin’ny mpampianatra anaty “salle” sy “dojo” ary ireo mpitantana klioba ny fiofanana toa izao. Raha ny tohin’ny fiofanana, ny DIF (Diplôme d’instructeur fédéral) indray no miandry ireo mpiofana ary mifarana amin’ny “Brevet d’Etat” izany. Nitondra fanazavana ihany koa ny filohan’ny federasiona fa afaka
roa taona eo no faharetan’ny fiofanana mandra-pahazoana ilay “Brevet d’Etat”, ka rehefa vita io 2 taona io dia tsy afaka ny hampianatra ny taranja karate intsony izay tsy nahavita fiofanana, manomboka amin’
ny DAF hatramin’ny “Brevet d’Etat”. Ho hentitra ny fede­rasiona amin’ny fampiharana sy fanaraha-maso izany mba ho soa ho an’ny taranja karate sy hampiakarana ny lentan’ny mpikatroka. Tsiahivina fa tonga nanotrona ny federasionin’ny karate-do malagasy, teny amin’ny Kianja mitafon’i Maha­masina ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, Marson Moustapha, ary nanamafy ny fanohanany ny fanatanjahantena malagasy sy ny fisokafany amin’ny fiaraha-miasa amin’ny federasiona

 

Partager sur: