Midina ny rano : Miverina amin’ny tranony tsikelikely ny traboina

Efa midina be ny rano amin’ny toerana iva eto Antananarivo taorian’izay andro maromaro tsy nisian’ny ora-mikija izay.Mody tsikelikely ireo traboina

Efa miverina any an-tokantranony tsikelikely ireo traboina. Mamonjy ny akany izay tsy maintsy nilaozana rehefa dibo-drano tsy azo niainana.
Toy ny eny Ampefiloha Ambodirano, efa tsy misy traboina intsony ny toerana natokana handraisana azy ireo fa efa lasa nody avokoa. Teny rahateo no toerana voalohany nahitana ny fiakaran’ny rano teto amin’ny kaominina An­tananarivo. Toraka izany ny eny amin’ny boriborintany fahenina, efa tsy misy traboina intsony fa efa namonjy ny tranony avokoa. Tao amin’ny EPP Anosivavaka, Epp An­tanjombe, EPP Ambodimita ary ny tranolay tao amin’ny fokontany Ambovahy no nitobian’izy ireo.
Nisy ny fandrarahana fanafody mamono bibikely, nataon’ny Kaominina Antana­narivo Renivohitra, tamin’ireo toerana nialan’ny traboina sy ny toerana hafa mbola ahitana azy ireo.
Na dia efa ritra aza ny rano any amin’ny fokontany iva toerana, mbola tena mando, tsy mahasalama ny trano nandalovan’izany rano niakatra izany ka tena saro-pady ho an’ny zaza sy ny ankizy ary ireo olona marefo sy manana areti-mitaiza ka mila mitandrina.

Arahi-maso ireo fotodrafitrasa
Etsy andaniny, manao ny fitsirihana ireo fotodrafitrasa nizaka ny orambe sy ny rivotra ny ekipan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Misy ireny fotodrafitrasa ireny atahorana hianjera toy ny trano, tamboho, takelaby, …heverina hitera-doza izy ireny ka tsy maintsy anaovana fanarenana haingana. Nisy ny fihaonan’ny prefet sy ny lehiben’ny distrika ary ny sefo fokontany 192 niaraka tamin’ny ben’ny Tanàna amin’ny fitiliana ny tandindon-doza isaky ny tanàna sy vohitra. Manao tatitra avy hatrany amin’ny mpamonjy voina raha misy tranga mampiahiahy.

Tatiana A

Partager sur: