Mois : mars 2025

SOMBIM-BAOVAO

Mitohy hatrany ny fampivondronana ireo mpikatroka tolona izay hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja tolona. Tsiahivina fa ny volana avrily ho avy io ry zareo ny hanao ity fifanintsanana ity. Mari­hina fa manana fikasana ny hitondra mpitolona maro amin’ity fifaninanam-pirenena ity ny federasionina. Efa fantatra avokoa ireo klioba […]

Handball – “IHF Trophy” : Hatao eto Madagasikara ny an’ny faritra fahafito

Hampiantrano fifaninanana iraisam-pirenena goavana indray ny Federasionina malagasin’ny handball (FMHB). Hotanterahina eto Antanana­rivo, ny 27 ka hatramin’ny 31 mey ho avy izao, ny fiadiana ny “IHF Trophy” taranja handball, ho an’ny faritra fahafito, sokajy Cadette sy ny Junior, lehilahy. Raha tsy misy ny fiovana, hiady izay ho lohany amin’io avokoa […]

Rugby : Hisy fanofanana mpanazatra

Hotanterahina etsy amin’ny ivontoeran’ny rugby Ando­hata­penaka, ny 21 sy ny 22 marsa ho avy izao, ny fiofanana ho an’ireo mpanazatra ny rugby lalaovina olona 14. Hiatrika izany ireo manana ny «niveau 2» ka hampita ny fahalalana mandritra io roa andro io, Rafalimanana Berthin (Zoto). Hiana­rana amin’io ireo lalàna vaovao mifehy […]

Baolina kitra : Afaka ny sazin’ny FMF, mahaleo tena tanteraka ny fitantanana

Nigadona omaly, teny Ivato, ny filohan’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), Randriamanampisoa Alfred. Nitondra vaovao mahafaly ho an’ny Malagasy mpankafy ity taranja ity ny tenany. Afaka ihany! Na dia tsy nirotsaka tamin’ny ora farany, nandritra ny fifidianana ny komity mpanatanteraka ny Kaonfederasiona afrikanina (Caf) aza Randri­a­manampisoa Alfred, filohan’ny FMF, nitondra […]

TSELATRA

Nahiditra vonjimaika am-ponja ireo roa lahy voarohirohy tamin’ny famonoana ho namono nahafaty an-dRazafitiandrazana Olivier, ny alahady lasa teo. Taorian’ny fitsarana natao azy ireo tany Bambous (Maurice), omaly. Niaiky izy ireo fa nanindrona ny fon’io lehilahy tamin’ny tournevis. Hitan’ny polisy nanao ny fisavana io fitaovana io rehefa nokarohina teo amin’io toerana […]