Lavon’ny balan’ny mpitandro filaminana afakomaly maraina, tetsy amin’ny Coum 67ha, ny jiolahy raindahiny iray. Malaza amin’ny fanaovana fanafihana mitam-piadiana izy io ka mampihorohoro ny mponina eny 67ha sy Antohomadinika. Avy nanatanteraka fanafihana mitam-piadiana teo amin’ny Coum izy io no nifanehitra tamin’ny mpitandro filaminana nanao fisafoana teny an-toerana. Tsikaritr’ireo polisy mbola […]
Mois : mars 2025
Lozam-pifamoivoizana – RN1 : Mpandeha iray namoy ny ainy
Niforitra ny lohan’ny fiara iray nifandona tamin’ny kamiao teny amin’ny lalam-pirenena voalohany, PK 92+400, teo Lalantapaka, fokontany Amboalefaka, kaominina Miarinarivo II, ny harivan’ny 24 marsa teo, tamin’ny 5 ora. Nifanena tao anaty fiolahana ny fiara mpitatitra entana iray avy any Analavory nikasa hihazo ny Renivohitra sy ilay kamiao nifanoha-dalana taminy. […]
OMC Toliara: « Tsy handeferana mihitsy ny fanakorontanana »
Melohin’ireo tomponandraikitra misahana ny filaminana any Toliara sy Atsimo Andrefana ny fihetsiketsehana tsy nahazoana alalana. « Tsy azo andeferana ny fanakorontanana », hoy izy ireo. Nanao fanambarana ny Prefektiora Toliara sy ny faritra Atsimo Andrefana, niaraka tamin’ny solontenan’ny mpampanoa lalàna, ny zandarimaria, ny Tafika ary ny polisy, omaly 26 marsa. Melohin’izy ireo […]




