Mois : mars 2025

Famarinana olona: Sinoa valo sy Malagasy telo voarohirohy

Natolotra ny fitsarana afakomaly ny sinoa valo sy malagasy telo, voasambotra tamin’ny tambajotra iray mpamarina vehivavy malagasy tany amin’ny faritra Atsinanana, ny herinandron’ny 23 febroary teo. Naiditra am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy ny efatra amin’izy ireo, eny Antanimora ny fito ambiny. Vehivavy malagasy asaina manambady am-pitaka na an-tery amin’ny teratany sinoa […]

Volley-CCCZone 7 : Tafakatra famaranana ny GNVB, lehilahy

Tontosa omaly ny lalao manasa-dalana, amin’ny fiadiana ny amboaran’ny klioba tompondaka eto amin’ny faritra faha-7, taranja volley-ball tanterahina any Maorisy. Tafakatra famaranana ny GNVB, lehilahy, rehefa nandresy ny Saint Denis Olym­pique Volley-Ball avy any La Réunion tamin’ny tie break ( 25 – 22 / 23-25/25-23/19-25/16-14). Raha fintinina ny dingana nolalovan’ny […]

SOMBIM-BAOVAO

Tontosa teny amin’ny Orange Digital Center, tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity, ny fifaninanana taranja Échecs “Queens Women Open Tournament”. Fifaninanana natokana ho an’ny vehivavy malagasy mpilalao, ary hampiakarana ny fahaiza-manaon’izy ireo ity fandaharanasan’ny federasiona ity. Efa manomboka ny fisoratana anarana amin’ny fiadiana ny tompondakan’Analamanga “Big Tanà”, taranja Bodybuilding. Fifaninanana izay hotontosaina […]

Trail d’Ibity andiany 9: Hamonjena ny ankizy tsy ampy sakafo

Hotanterahina any Antsirabe, ny alahady 6 avrily ho avy izao, ny andiany fahasivy amin’ny “Trail d’Ibity”. Hiavaka izy ity satria hatolotra manontolo ho an’ny fikambanana Antena, misahana ireo zaza tratry ny tsy fahampian-tsakafo mahery vaika ao amin’ny faritr’i Vakinankaratra ny vola rehetra azo amin’ny fifaninanana. Io no nambaran’i Vincent Blanchet, […]