Mois : mars 2025

Indroa mahita ny maizina

  Trangam-piarahamonina mampikaikaika ny maro ny vono olona etsy sy eroa. Miaina anaty tahotra sy ahiahy andro aman’alina ny sarambabem-bahoaka. Sahiran-kevitra amin’ny zava-miseho ny madinika, tsy mba manana basy aman-tafondro hiarovan-tena. Atody miady amam-bato ny sokajin’olona marefo amin’izao fotoana izao. Manao izay danin’ny kibony rahateo ny mpanao ratsy. Voatondro molotra […]

Holafitry ny mpisolovava : “Maimaimpoana ny fiarovana ny marefo”

Nifarana omaly, tetsy Anosy ny fikaonandoha iraisam-pirenena eo amin’ireo mpisolovava. Anisan’ny nandray anjara tamin’izany ny avy amin’ny Holafitry ny mpisolovava eto Madagasikara. Nambaran’ny lehiben’ny Holafitra, ny Me Raondry Alain, fa mandrotsaka latsakemboka ny fanjakana ho amin’ny lafiny fiarovana. “Maimaimpoana ny fahazoan’ireo marefo mpisolovava raha ny voalazan’ny lalàna amin’ny ady madio. […]

TSELATRA

Fasana 15 nisy namaky tany Maintirano. Nampandre ny polisy ny sefo fokontany tao Ampasimanondro, distrikan’i Maintirano, omaly maraina tamin’ny 6 ora, fa nahitana vaky fasana tao an-toerana. Nijery ifotony avy hatrany ny polisy ka nanamarina ny tranga. Fantatra fa 15 ny fasana nisy namaky. Nikaroka zava-tsarobidy nampiarahana tamin’ny razana ireo […]

Minisiteran’ny Foloalindahy : Nahazo fampitaovana avy amin’ny fanjakana sinoa

Notontosaina teny amin’ny minisiteran’ny Foloalindahy (MFA), omaly, ny lanonana telo sosona ao anatin’ny fiaraha-miasa ara-tafika eo amin’i Madagasikara sy Chine amin’ny alalan’ny MFA sy ny masoivohon’i Chine eto Mada­gasikara. Voalohany, ny fitokanana ny trano fampianarana teny vahiny, indrindra ny teny “mandarin” eo anivon’ny sampandraharahan’ny serasera ao amin’ny MFA. Izao fanavaozana […]

Ivato: Indianina tratra nitondra volamena 1,6 kg

Tratra teny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato Antananarivo, omaly, ny lehilahy teratany indianina iray nitondra vovo-bolamena milanja manodidina ny 1,6 kilao. Saika handray ny sidina ET lah-852 ho any Dubai ity mpandeha ity, saingy nampiahiahy ny sampandraharahan’ny Fadintseranana ny fihetsiny. Tamin’ny alalan’ny fitsirihana ny vatana, ny fitaovana « bodyscan » no nahitana fonosan-javatra […]