Mois : mars 2025

Mozean’ny saripika : Hasongadina ireo vehivavy nanamarika ny tantara

« Femmes, Audace, Héritage: Portrait ». Izay ny lohahevitry ny fampirantiana manaraka, hotontosaina ao amin’ny Mozean’ny saripika eto Madagasikara eny Anjohy. Hanomboka ny 12 marsa izao izy ity, ka amin’ny 12 ora ny fanokafana. Hanason­gadi­nana ireo vehivavy izay nana­marika ny tantaran’i Mada­gasikara ny tena tanjon’ny fampirantiana. Manomboka any amin’ireo mpanjakavavin’i Madagasikara, mandalo […]

Zara sehatra Bagasy : Omena laka ny hiran’ny taona 60

Hotanterahina anio manomboka amin’ny 2 ora sy sasany, etsy amin’ny Espace Aro Antsahavola, ny Zara sehatra, iarahana amin’ny Sehatra Bagasy (SBG). Omena lanja lehibe ny fandraisana anjaran’ny rehetra. Hahazo laka kosa ireo hira malagasy nanana ny lazany tany amin’ny taona 1960. Anisan’izany ny sanganasan’i Naly Rakotofiringa, JJTseheno, Rasamoelijaona, Ramaroson Wilson, […]

Fomba amam-pahendrena malagasy : Misokatra ho an’ny rehetra ny foibe MA.I.HA

Anisan’ny foibe ivondronan’ireo mpikaroka sady ahitana voka-pikarohana maro rahateo ny MAIHA. Omaly no nampahafantarina tamin’ny mpanao gazety ny fisokafany ho an’ny rehetra. Misokatra ho an’ny rehetra ny foibe Malagasy Iray Hasina na MAIHA. Ivontoerana hikarohana sy handalinana ny fomba amam-pahendrena malagasy. Ani­san’ny nisongadina io nandritra ny fampahafantarana momba ity foibe […]

FANTINA sy FINTINA

Efa miketrika ny hanatanterahana ny fifidianana izay ho lehiben’ny faritra ny Ceni. Nambaran’ny mpitondra teny, Soava Andriamarotafika, fa tokony ho fa efa eo am-pandrafetana ny hirosoana amin’izany izy ireo. “Vinavinaina hatao ny fifidianana ny filohan’ny faritra sy ireo mpanolotsain’ny faritra ary ny mpanolotsaina isam-paritany”, hoy izy. Maromaro ireo tomponandraikitry ny […]

Sampandraharahan’ny Fananantany: Nomen’ny MFFT fitaovana ny any Maevatanàna

Midina ifotony hatrany ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT) amin’ny alalan’ny sampandraharaha eo aminy. Anisan’ izany ny misahana ny fananantany (DGSF). Nitsidika ny biraon’ny fananantany tany Maevatanàna izy ireo, omaly. Anisan’ny anton’izany ny fijerena ireo olana sy ny hitondrana vahaolana eny ifotony manoloana ny fananantany. […]