Fanamafisana, fampahatsiahivana… Ao anatin’ny ady amin’ny kolikoly. “Tsy misy sarany ny famangiana ireo voafonja manerana an’i Madagasikara izay ahitana karazany roa. Ny famangiana ho an’ny olona tsy mbola voatsara, ary ny famangiana ireo efa voatsara”. Io ny fampahafantaran’ny minisiteran’ny Fitsarana tamin’ny tranonkalam-pifandraisana, omaly. Tsy maintsy manana ny fahazoana kosa ireo […]
Mois : mars 2025
Miavotse sy mivoatse !
Nahoraka tato anatin’ny andro vitsy ny mahakasika ny fizakan-tenan’ny vehivavy eto Madagasikara. Mazava ho azy, fa noho ny fankalazana ny andron’ny 8 marsa, natokana hiadiavana ny zon’ny vehivavy izany. Mirongatra sy mipoipoitra avokoa ny karazana tetikasa hoenti-manohana ny zatovovavy sy ny renim-pianakaviana. Samy milaza ho mpanohana an’izany na mpiara-miasa […]
Filoha Rajoelina Andry: “Hamboarina manontolo ny lalana Tanà-Mahajanga”
Anisan’ny nisongadina tamin’ny filankevitry ny minisitra natao tany Mahajanga ny momba ireo fanamboarana fotodrafitrasa samihafa. Eo koa ny fijerena ny sosialim-bahoaka. “Hamboarina manontolo ny lalam-pirenena faha-4 miainga any Antananarivo hatraty Mahajanga”, hoy ny filoha Rajoelina Andry tamin’ny filankevitry ny minisitra, tany Mahajanga, omaly. Nambarany koa ny fisokafan’ny sisintanin’i Madagasikara amin’ny […]
TSELATRA
Olona 12 voasambotra nandritra ny be midina nataon’ny polisy avy ao amin’ny Kaomisaria boriborintany fahatelo, nanomboka afakomaly. Voasambotra noho ny fifohana sy fitazomana zava-mahadomelina ny telo tamin’ireo, noho ny resaka halatra sy sinto-mahery ny efatra, raha noho ny resaka fikambanan-jiolahy ny roa hafa. Noho ny resaka filokana an-dalambe ny vehivavy […]
Kaominina Mahitsy : Taolam-balo 13 lasan’ny jiolahy
Taolam-paty ampolony tao amin’ny fokontany Fiadanakely, kaominina Mahitsy, distrikan’Ambohidratrimo, lasan’ny jiolahy, ny talata 4 marsa teo. Nitrangana vaky fasana indray tao amin’io kaominina io. Mpandalo no nahatsikaritra fasana efa nisokatra. Niantso ny tomponandraikitry ny fokontany izy ireo. Nidina ifotony nanao ny fanadihadiana koa ny mpitandro filaminana. Notsirihana ny fasana vaky. […]




