Mois : mars 2025

Jean Nirina R. : « Tokony haverina ny rafitra fokonolona»

Maro ny olana saro-bahana eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao. « Tokony haverina sy homen-danja ny rafitra fokonolona eny anivon’ny fokontany », hoy ny sefo fokontanin’Anosizato Atsinanana, Rafanomezantsoa Jean Nirina, nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety, omaly, manoloana ny olana sendrain’ny fiarahamonina amin’izao fotoana. Misy fokonolona manao tsinontsinona ny fiarahamonina. Misy indray ireo […]

« World Games » – Tsipy kanetibe : Mirana sy i Yves no solontena malagasy

Hiatrika ny “Test event”, amin’ny “World Games” na “Jeux mondiaux” hatao any Chine eo amin’ny taranja tsipy kanetibe,  Razafinakanga Mirana sy Rakotoarisoa Yves Sedrick. Omaly no nanainga izy mianadahy ireo. Mason­tsivana nifantenana azy ireo ny vokatra azony nandritra ny Lalaon’ny Nosy (JIOI 2023) natao teto Madagasikara. Raha tsiahivina, samy nahazo ny […]

Fanafihana Cash point : Naiditra am-ponja Rambola

Voasambotry ny polisim-pirenena ny sabotsy teo ny jiolahy raindahiny antsoina hoe: Rambola. Nampiakarina fampanoavana afakomaly izy ary naiditra vonjimaika am-ponja. Jiolahy fantatra sy malaza amin’ny fanafihana mitam-piadiana izy io. Efa ela nokarohin’ny mpitandro filaminana fa izay vao tratra sy azo sambo-belona. Marihina fa nanafika Cash point iray tany Ambositra izy, […]

Andrianainarivelo Hajo : “Maika ny hampiasana ny volam-panjakana”

Naneho ny hagagany tamin’ny tatitry ny filankevitry ny minisitra farany teo ny filoha nasionalin’ny antoko Malagasy miara-miainga, Andrianainarivelo Hajo. Tsy nitsitsy fitenenana izy tamin’izany. Nohitsiny fa tsy mba nasiana resaka mihitsy ny momba ireo havana sy ireo Malagasy any atsimon’ny Nosy, traboina ary anatin’ny fahasahiranana lalina taorian’ny nandalovan’ny rivodoza indroa […]

INDRAY MIJERY

Noho ny fiakaran’ny rano, nidina ifotony ny mpiasan’ny fahasalamana eto Antananarivo Renivohitra rehefa naheno ny fisian’ny traboina eto. Nanao fizaham-pahasalamana maimaimpoana ho an’ireo traboina teny amin’ny EPP Ankaditoho Marohoho, fokontany An­kaditoho, boriborintany fahefatra sy tao amin’ny Sabat Antohomadinika, boriborintany voalohany izy ireo. Ankoatra ny fizaham-pahasalamana, nisy koa ny fanaovana vaksiny […]