Kolontsaina, zavakanto, fiangaly gitara iray miavaka indrindra maneran-tany ny an’ireo mpilalao ny flamenca. Be mpankafy aty amintsika, ka nanokanana hetsika fizarana momba azy ity isan-taona. Takalo kanto iray nahitam-pahombiazana tamin’ny andiany teo aloha, ka hitohy amin’ity taona ity ny «Herinandron’ny Flamenco eto Madagasikara». Andiany fahafito izao, izay handraisana mpanakanto mpiangaly […]
Mois : mars 2025
FANTINA sy FINTINA
Hatsaraina ny asam-pitsarana, hanamafisana ny ady amin’ny kolikoly. Nivoitra izany tamin’ny nandraisan’ny minisitry ny Fitsarana, Rakotomandimby Benjamin Alexis, ireo mpitantana ny fitsarana avy any Menabe, teny Faravohitra. Eo koa ny fanaraha-maso hentitra ny raharaham-pitsarana anatin’ny mangarahara. Nitohy ny hetsika fahatsiarovana ny tolom-panafahana 1947 ka notanterahina amin’ny alalan’ny fampirantiana mitety sekoly […]
Fifidianana kaominaly haverina: Andrasana ny didim-panjakana
“Miandry ny didim-panjakana havoakan’ny governemanta izao isika ny amin’ny fanaikana mpifidy”, hoy ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, teny Alarobia, omaly, nanontaniana ny amin’ny fifidianana kaominaly haverina. Efa nisy volavolan-kevitra naroson’ny Ceni any amin’ny governemanta ny amin’izay fifidianana kaomianaly haverina izay. Ny antony hoe mety mbola tsy hamoahan’ny fanjakana izay fanaikana […]
Ny maha olona… fototra
Tato ho ato, mirongatra ny asan-jiolahy. Fanafihana mitam-piadiana, fakana an-keriny, famonoana olona… Tsy hita hotanisaina. Saika miharo herisetra sy habibiana hatrany izany. Nahoana? Tsy misy izay tahotra amin’ny fandatsahana aina. Na antitra io na zazakely, na lehilahy na vehivavy… Na an-tanàn-dehibe na ambanivohitra, na andro na alina… Lazain’ny mpandinika […]
Fitantanana eny ifotony : Nofanina momba ny tetibola ireo ben’ny Tanàna
Nitohy tany amin’ny faritra Atsimo Andrefana ny fampiofanana ireo ben’ny Tanàna vaovao. Nanatanteraka izany ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), amin’ny alalan’ny INDDL. Miompana amin’ny sehatra samihafa ny fanofanana. Nisitraka fanofanana ireo ben’ny Tanàna any amin’ny faritra Atsimo Andrefana, hatramin’ny omaly. Anisan’ny niompanan’izany ny fitantanan-draharaha […]




