Hifarana ny tetikasa AF/SEA MOR’AF, iarahana amin’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT) miaraka amin’ny ONU-Habitat. Nidina ifotony nijery ireo asa vita tany Morondava izy ireo. Miisa valo ireo tetikasa mandinika nojerena tamin’izany ho fanamafisana ny fahaiza-miatrika ny fiovan’ny toetr’andro an-tanàn-dehibe. Anisan’ny zava-bita ohatra ireo trano ho fialofana […]
Mois : mars 2025
Mamakafaka lalina
Trangam-piarahamonina iniana volena indray tato ho ato ny fanakorontanana etsy sy eroa. Tadiavin’ny sasany hatao amin’ny fomba rehetra ny hisian’ny fitokonana faobe. Tsy vitan’izay fa misy amin’ny mpanao politika no mitady hirika hisian’ny ra latsaka an-tany. Tsy mikely soroka tokoa ny ratsy amin’ny fitadiavana lalana manivaka, handravana efa. Miseholany ny […]
Fanavaozana ny lisi-pifidianana! Mbola manana fotoana hanamarinana ny olom-pirenena
Fampahatsiahivana, fanamafisana… Nambaran’ny eo anivon’ny Ceni ary nanentanan’izy ireo ny rehetra ny hanamarinan’ny tsirairay ny momba azy ao amin’ny lisitry ny mpifidy. “Raha ny lalàna eto Madagasikara, tsy an-tery fa malalaka ny safidin’ny olom-pirenena hoe hisoratra anarana ao anatin’ny lisitry ny mpifidy izy na tsia”. Io ny nambaran’ny tonia mpanatanteraka […]
TSELATRA
Vehivavy iray mpanampy an-trano nangala-jaza, tratran’ny fokonolona teny Mandegny, kaominina Maroambihy, afakomaly. Hita niaraka taminy ny zazakely iray nanaovana fampilazana fa very tao amin’ny fokontany Antanifotsy, Sambava, ny 25 marsa teo. Tonga nandray andraikitra avy hatrany ny polisy taorian’ny tranga. Efa nosamborina sy nanaovana fanadihadiana izy io. Nisy mamba mirefy […]
Tsarafara-Avaradrano: Namoy ny ainy ilay zandary main’ny herinaratra
Nidiran-doza tampoka ny raim-pianakaviana iray 35 taona, zandary iray tao Tsarafara, kaominina Sabotsy Namehana, distrikan’Avaradrano, ny alarobia 26 marsa teo. Nanadiodio ny tranon’ny biby fiompiny io lehilahy io. Tsy nanampo na inona na inona izy. “Nikirakira jiro izy kinanjo tariby tsy nifono ka nandoro azy, tamin’ny 9 ora sy sasany […]




