Mois : mars 2025

FANTINA sy FINTINA

Lohahevitry ny fihaonana an-tampon’ny COI: “Fahavitan-tena sy fanjarian-tsakafo manoloana ny fampandrosoana ny tsenan’ny ranomasimbe Indiani­na”. Hotanterahina eto amintsika ny fihaonana, ny volana avrily izao. Ho avy amin’izany koa ny filoha Frantsay, Emmanuel Macron. Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra ny hanokafana ny masoivoho any Abou Dhabi, Emirats Arabo Mitambatra. Efa voafaritra ny […]

Minisitra Rasata Rafaravavitafika: “Omen’ny Frantsay lenta ny fihaonan’ny COI”

“Maromaro ny ao anatin’ny delegasiona fa omen-dry zareo Frantsay lenta sy ny maha zava-dehibe azy ny fi­haonana eto Antananarivo”. Io ny nambaran’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika, tamin’ny mpanao gazety teny amin’ny LMA, Ampefiloha, omaly, tao anatin’ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ ny Frankofonia. Ho avy eto Madagasikara ny […]

Romodromotra fahatany  

  Trangam-piarahamonina tsy mbola voafehy, indrindra amin’ny resaka fahasalamam-bahoaka ny mahakasika ny aretina haromotana. Mahafaty ary tena mahazo vahana izany eto Madagasikara raha taraiky ny fitsaboana. Maromaro ny tranga tao anatin’ny telo volana niatombohan’ny taona. Mainka avo aza ny tahan’ny aretina, ny faramparan’ny taona 2024. Mila fitandremana. Raha ny aretina […]

Fampandrosoana eny ifotony : Hisitraka tetibola sy fitaovana ny faritra

Anisan’ny nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra teny Iavoloha, afakomaly, ny momba ny fampandrosoana eny ifotony. Anisan’izany ny faritra 23, eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT). Nivoitra tamin’izany ny momba ny tetibolan’ ireo faritra amin’ny alalan’ny Tahirimbola ho an’ny fampandrosoana ifotony (FDL). “Hisy ny fanomezana fitaovana ireo […]

TSELATRA

Tsy tontosa ny hetsika fitakiana saika hataon’ny sendikan’ny paramed, tetsy amin’ny HJRA, omaly. Tsy navela niditra tao an-toerana ireo sendikan’ny Infirmier sy sage femme, raha nikasa hanao hetsika fitakiana manoloana ny olana sy ny tsy rariny mianjady amin’izy ireo. Tonga niambina sy nanakana ny hetsika saika hataon’izy ireo, teny an-toerana, […]