Mois : avril 2025

Rakotomanana Richardson : “Tsy manohitra tetikasa ny fiarahamonina sivily”

“Tsy vondrona mpanao politika hanohitra na hanohana fitondram-panjakana ny fiarahamonina sivily. Fa sady manampy ny vahoaka izy no manampy ny sampandraharaham-panjakana. Izay ihany no tena andraikitry ny fiarahamonina sivily.” Io ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny Fiombo­nan’ny fiarahamonina sivily ho amin’ny fandrosoan’ny Mala­gasy na Coalition de la société civile pour le progrès […]

Mivaralila! 

Tsy hita ho lazaina fa mahatonga saina ny zava-misy ankehitriny. Mitady hanjaka ny faharomotana faobe. Tsy olon-tsotra, tsy manampahefana fa mirintondrintona be fahatany. Ny manana basy mitifitifitra, ny manana sandry mikapokapoka, ny manana vava manasa vangy. Tsy misy fitoniana fa mifandrangitra ohatry ny olona marary saina. Ny tena mampiteny ny […]

Fihaonana an-tampon’ny COI : Nampitandrina ireo mikasa hanakorontana ny mpitondra

Mbola nanamafy ny efa nambarany ny herinandro lasa ny mpitondra. Hentitra sy nahitsy ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, i Mara Volamiranty Donna. “Miara-miasa isika rehetra ary manome toky fa handray andraikitra, raha misy olona miezaka sy manana eritreritra hamboly korontana amin’ny fitiavan-tena sy ny kajikajy politika manokana. Mijoro […]

TSELATRA

Lehilahy tsy salama saina, 30 taona, no matin’ny fitsaram-bahoaka tany amin’ny fokontany Amberobe, kaominina Ambohimiadana, Andramasina, afakomaly tamin’ny 7 ora sy sasany hariva. Hitan’ny olona saika hangalatra vary tao amin’ny tanàn’Ambatonimanana izy io ary nandositra avy hatrany taorian’izay. Novonoin’ny olona izy ary naratra mafy. Tonga nijery ny zava-misy ny zandary […]

Behoririka: Olona dimy naratra voafaokan’ny taxi-be

Nitrangana lozam-pifamovoizana indray tetsy Be­horirika, tamin’ny lalana Do­kotera Ramisaray, omaly tamin’ny 10 ora sy sasany maraina. Tsy fahatomombanana teo amin’ny fiara Mer­cedes-Benz Sprinter, zotra 199, ny antony niavian’ny loza. Avy any Analakely hihazo an’i Behoririka io fiara io, no tapaka hisatra tampoka teo am-pidinana ka nifaoka olona. Voafaokany voalohany, nandritra […]