Miisa 960 ny fatana mitsitsy ao anatin’ny tetikasa Magnasoa. Nisitraka izany ny tokantrano 960 any amin’ny kaominina Soanierana Taolagnaro, hampirisihina azy ireo hampiasa ny angovo madio sady tsy handripaka ala intsony. Tanjona ny hizarana fatana miisa 120 000 ao anatin’ity tetikasa ity, any amin’ny faritra Anosy. Misy ny bokikely manoro ny […]
Mois : avril 2025
Tahirim-bola ho an’ny lalana: Ifantohana ny teknolojia sy ny fiara elektrika
Mivory eto Antananarivo, omaly, 14 hatramin’ny 16 avrily ny vaomiera momba ny Tahirim-bola ho an’ny lalana na « Fonds routier » (FR) aty amin’ny tapany atsimon’i Afrika (ASAFG). Ao anatin’izany i Angola, Lesotho, Malawi, Mozambika, Namibia, Zambia, Zimbabwe ary Madagasikara. Lohahevitra nodinihina ny « ho avin’ny fikojakojana ny lalam-pirenena amin’ny alalan’ny teknolojia vaovao […]
Loka Pierre Castel: Hifantohana ny fambolena sy fiompiana
Nisokatra omaly, 14 avrily, hatramin’ny 30 mey ny fifaninanana ho an’ny Loka Pierre Castel 2025. Hiompana amin’ny fanavaozana sy fampiasana ny teknolojia amin’ny sehatry ny fambolena sy fiompiana ny fifaninanana, sady mitsinjo ny tontolo iainana. Natao ho an’ny tanora mpandraharaha, malagasy 18 hatramin’ny 45 taona, mipetraka eto Madagasikara izy ity. […]
Fahavitan-tena ara-tsakafo: Hatao foibe famokarana masomboly vary safiotra ny any Antalaha
Tsy hisy intsony ny fanafarana vary avy any ivelany. Ho tanteraka izany amin’ny famokarana masomboly vary safiotra eto an-toerana, iarahana amin’i Sina. Nidina tany Antalaha ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Fahaleovantena ara-tsakafo (SESA), Razanamahefa Tahian’Ny Avo, ny 11 avrily teo. Tao anatin’ny delegasionina ihany koa ny teknisianina avy any Chine, manam-pahaizana […]
TSELATRA
Raim-pianakaviana iray 52 taona maty nilatsaham-potaka tany Bemasoandro, kaominina Mahatsinjo, distrikan’i Maevatanàna, ny alahady lasa teo. Teny an-dalana hamonjy fodiana izy io, niaraka tamin’ny olona telo hafa. Nandroaka omby efatra izy ireo no nirefotra tampoka ny varatra ka niantefa taminy. Tsy nisy naninona kosa ireo omby. Lehilahy roa nosamborin’ny Polisy […]




