Hotanterahina etsy amin’ ny Lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina, ny 2 – 4 mey ho avy izao, ny fampiofanana tarihin’ny Grand Master Paul McPhail, eto amin’ny kaontinanta Afrika. Araka ny vaovao voaray, omaly, eo anivon’ny kaomisionina ny taranja taekwondo ITF malagasy, ho avy hanatrika io fiofanana io ihany koa i Mark Trotter, […]
Mois : avril 2025
SOMBIM-BAOVAO
Natao tao amin’ny Kianja monisipaly Arivonimamo, omaly, ny “festival de rugby scolaire” nokarakarain’ny Malagasy rugby. Tetikasa fampiroboroboana ny taranja baolina lavalava eny anivon’ny sekoly. Miisa 8 ireo toeram-pianarana nandray anjara ao amin’ ny Cisco Arivonimamo. Hiditra amin’ny fihodinana faharoa ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara (Yas coupe de Madagascar), taranja baolina […]
Soccer Academy : Hikarakara fifaninanana ho an’ny ankizy
Hotanterahina ny 14 hatramin’ny 19 avrily ho avy izao, etsy Mahamasina, ny fifaninanana baolina kitra ho an’ny ankizy, “Soccer Academy Tournament”, andiany voalohany. Fifanintsanana izay karakarain’ny sekoly baolina kitra Soccer Academy. Araka ny fanazavana azo tamin’ny mpikarakara, omaly, tetsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina, hizara sokajy telo ny fifaninanana ka hisy […]
Fikasana hanondrana mpilalao: Mitory olon-tsy fantatra ny Elgeco Plus Foot-ball
Voatonona ho naka vola tamin’ny fanondranana mpilalao baolina kitra U17, ny Elgeco Plus. Nifangaro tamin’ny halatra sonia ihany koa izany ka niteraka sovorovoro goavana. Manoloana izany, tsy hanaiky ny ekipa ka hitory ireo olon-tsy fantatra ary hanaraka izany hatramin’ny farany. Niteraka resabe teo anivon’ny tontolon’ny baolina kitra malagasy sy tamin’ny […]
TSELATRA
Mitohy ny Operation Bemidina ataon’ny polisim-pirenena eto an-dRenivohitra, afakomaly alina. Toeram-pisotroana miisa dimy voatery nakatona noho ny tsy fanajana lera, teny Mahamasina. Manao fisafoana eny amin’ireo toerana anjakan’ny tsy fandriampahalemana koa izy ireo. Notanana vonjimaika am-ponja ny sefo fokontany Mangarivotra Avaratra, kaominina Toamasina, omaly. Anisan’ny voasaringotra tamin’ny fahafatesan’ilay mpianatra 19 […]




