Tontosa soa aman-tsara ihany ny Trail d’Ibity 2025 na teo aza ny raho-mainty nitatao tamin’ny fifaninanana. Nandrombaka ny fandresena i Odilon sy i Jean-Claude. Nibata ny amboara teo amin’ny fihaonana ho an’ireo orinasa sy ny mpanohana, ny ekipan’ny Colas Madagascar. Notanterahina ny alahady 6 avrily lasa teo, tany Antsirabe, ny […]
Mois : avril 2025
INDRAY MIJERY
“Mbola ambony ny tahan’ny reny maty eo am-piterahana eto amintsika. 408 ho an’ny zaza teraka 100 000 ny reny mamoy ny ainy”, hoy ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka. Nisy ny ezaka tao anatin’ny roa taona ka 1/3 amin’ny distrika sisa no manana taha ambony fa efa nidina 110 ho an’ny zaza teraka […]
Fialana amin’ny fampanambadiana ankizy : Ray aman-dreny 300 hofanina ao Ambovombe
Nifarana tamin’ny fitsidihana ny ivontoerana ao Betsimeda Ambovombe ny dian’ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, Rasoloarisoa Marie Marcelline, ao amin’ny faritra Androy, ny faran’ny herinandro teo. Miantsehatra amin’ny fanabeazana sy fampiofanana ny ray aman-reny hialana amin’ny fanambadiana aloha loatra ary manampy amin’ny fiarovana ny zon’ny vehivavy sy […]
Faritra Anôsy : Nahazo tafo hanarenana ny tanàna simba
Maro ny fahavoazana niteraka takaitra ho an’ny mponina vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Jude tany amin’ny faritra Anôsy. Tsy nitazam-potsiny fa nanolo-tanana ny orinasa QMM RioTinto ao an-toerana, ka nanolotra fanampiana tamin’ny alalan’ny CCO Anôsy. Fanitso 3 000 sy fantsika no nomena ho fanarenana ny simba hahafahan’ny mponina miverina amin’ny andavanandrom-piainany. […]
Lalàna mifehy ny asa: Mbola maro ny mpiasa voambaka noho ny tsy fahalalana
Tsara ho an’ny mpiasam-panjakana na amin’ny sehatra tsy miankina ny mahafantatra ireo lalàna mifehy ny asa mba tsy hisian’ny fanararaotana na fanapahana tsy ara-drariny ny karama ka miterika disadisa. Manao ezaka mampahafantatra ny minisitera. Manao fizarana ho fampahatsiahivana matetika ireo mpiasam-panjakana sy mpiasa amin’ny sehatra tsy miankina ny lalànan’ny asa […]




