Mois : avril 2025

Andaboy : Ny 2 ha ihany no ampiasain’ny Base

Toerana azo ivezivezen’ny rehetra ny morontsirak’ Andaboy. Toy ny morontsiraka rehetra, toerana azo itsangatsanganana ihany koa, toy ny tamin’ny alatsinain’ny Paka teo, izay nahavory olona anarivony, satria nahitana hetsika fialamboly maro. « Milamina ny rehetra », hoy i Anitha. Ho an’i Haraneny Gaëlle, « mazava izao, fa tsy marina ny filazana fa tsy […]

Fandaharanasa DEEP : Halalinina ny fikarohana mahakasika ny fahantrana

Tsy ampy ny fikarohana manodidina ny fahantrana eto Madagasikara. Mikaondoha ny manampahaizana, ny mpanapa-kevitra, tomponandraikitra isan-tsokajiny, hikarohana vahaolana mahomby. Natao teto Antananarivo, ny atrikasa lehibe, entina hikarohana vahaolana maharitra iadiana amin’ny fahantrana eto Madagasikara. Manatanteraka azy ny Fan­daharanasa Antontam-baovao sy Porofo Hanafoanana ny Fahantrana (DEEP), miara-miasa amin’ny tetikasa Arake, midika […]

Fanabeazana : Notokonana ny EPP fanampiny Ambohibary

Notokanana afakomaly ny fotodrafitrasa vaovao EPP Annexe Ambohibary, Cisco Antananarivo Atsimondrano, Zap Ampitatafika. Maoderina ny trano sekoly, ahitana efitra telo izay efa misy dablio avokoa. “Manana EPP ity toerana ity fa efa tranainy sy misy simba”, hoy ny ben’ny Tanànan’ Ampitata­fika, Ramparaoelina Rado. Natao ny fotodrafitrasa mba hahafahan’ny ankizy mianatra […]

Tetikasa Produir – MFFT : Fianakaviana miisa 84 nisitraka trano

Notanterahina ny 26 avrily teo ny antsapaka entina mizara ny tranon’ireo fianakaviana miisa 84 hisitraka ireo toeram-ponenana vaovao. Tafiditra amin’ny tetikasa Produir eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT) izany. Notontosaina tamin’ny fomba mangarahara ary natrehan’ny vaditany sy ireo mpiara-miom­bon’antoka rehetra, indrindra ireo tokantrano miisa 84 ny […]