Mois : avril 2025

SOMBIM-BAOVAO

Tafiditra anatin’ny « Top 30 » maneran-tany, ny Malagasy mpikatroka ny taranja Judo, Rasoanaivo Razafy Aina Laura, sokajy latsaky ny 70 kg. Niakatra ity filaharana ity satria tany amin’ny faha-40 izy teo aloha. Noho ny vokatra tsara azony farany teo, nandritra ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, tany Côte d’Ivoire no nahazoany izao […]

Fonjamby – Tompondakan’i Afrika : Namiratra ireo taninketsa niatrika ny fifaninanana

Tafaverina eto an-tanindrazana, ny alatsinainy hariva teo, ny delegasionina malagasy avy niatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika seniors tany Maorisy, taranja fibatana fonjamby. Toy ny efa nahafantarana azy hatramin’izay, namiratra indray ireo atleta malagasy tamin’izany, izay nandrombaka medaly 9 be izao. Mbola voatazona ny toerana misy antsika, hoy ny mpanazatra […]

« World Cola PFL » : Mbola baraingo ny tohin’ny fifaninanana

Nahemotra indray ny tohin’ny fifaninanam-pirenena taranja baolina kitra, “World Cola PFL”. Hatreto, tsy mbola misy ny daty ofisialy hitohizan’ity fifanintsanana ity, amin’izao fotoana izao. Araka ny loharanom-baovao voaray, nisy ny fivoriana nataon’ireo mpikambana amin’ny CFEM sy ny Federasionina malagasin’ny Baolina kitra (FMF), omaly, tetsy Isoraka. Hiresaka sy handinika ny mahakasika […]

Tsipy kanetibe – «Tournoi des champions» : Hahazo 4 tapitrisa Ariary izay voalohany

Hianoka fetiben’ny tsipy kanetibe indray ny mpankafy amin’ny volana mey ho avy izao. Ankoatra ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, hisy koa ny « Tournoi des champions », hahazoana lelavola an-tapitrisany sy amboara. Hifaninana amin’izany avokoa ireo mpilalao rehetra. Hotanterahina ny sabotsy 24 sy ny alahady 25 mey ho avy izao, […]

INDRAY MIJERY

Ho avy matevina ny orana any amin’ny morontsirak’i Vatovavy, Fitovinany ary hiitatra ho an’ny faritra Atsinanana, raha toa ka hiendrika tandrifin-drahona izany ho an’ny atin-tany andrefan’ny Nosy. Tombanana hitohy hatrany ny orana any amin’ny morontsiraka Atsinanan’ny Nosy ato anatin’ny roa andro ho avy ka ho betsaka kokoa izany amin’ny toerana […]