Mois : avril 2025

FANTINA sy FINTINA

Naneho ny heviny ny depiote Randrianaso­loniaiko Siteny, manoloana ny hetsika niseho tany Toliara. ” Natao hiaro ny vahoaka sy ny fananany fa tsy handratra sy hamono vahoaka ny mpitandro filaminana. Manameloka ny herisetra niteraka faharatrana ho an’ireo nitaky ny zony izahay”, hoy izy. Nitsidika ireo naratra ireo depioten’ny Firaisankina tamin’izany. […]

Depiote maro anisa : “Takinay ny hanasaziana ireo mpanakorontana”

Hentitra ary nahitsy ireo depiote maro anisa eo anivon’ny Antenimierampirenena, mi­araka amin’ny birao maharitra manoloana ny tranga niseho tany Toliara, ny faran’ny he­ri­nandro teo. “Tsy azo ekena ny fanakorontanana ara-politika atao eto amin’ny firenena ka hialokalofana amin’ny filazana ho fiarovana ny vahoaka nefa fikasana ho amin’ny fanonganam-panjakana no ao ambadik’izany […]

Mila mijoro 

  17 andro sisa dia higadona ny fihaonambe an-tampon’ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indianina, hatao eto Mada­ga­sikara. Efa anatin’ny fanomanana tanteraka i Ma­da­gasikara, mpampiantrano. Raha ny pitsopitsony mahakasika ny fivoriana, ny fikarakarana ny foto-drafitrasa isan-karazany dia mandeha araka ny tokony ho izy avokoa. Miavaka ny fiaraha-mientan’ny governemanta sy ny mpitondra. Etsy ankilan’izany […]

Fivahinianana eto Madagasikara : Hihaona eny Andafiavaratra ny filoha Rajoelina sy i Macron

Efa manomboka ampahafantarina tsikelikely ny momba ny fitsidihan’ny filoha frantsay, Emmanuel Macron, eto Madagasikara, ankoatra ny fanatrehany ny fihaonana an-tampon’ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indianina (COI). Fantatra izany, araka ny nambaran’ny minisitry ny Serasera sy ny ko­lontsaina sady mpitondra te­nin’ny governemanta, Mara Volamiranty Donna. “Hotante­rahina ao amin’ny Lapan’ Anda­fiavaratra ny fihaonana eo […]