Manatanteraka ny andrana teknika amin’ny fitaterana an-tariby, zotra Orange, miainga eo amin’ny La City Ivandry mankeny Ambatobe ny ekipa amin’izao fotoana, raha ny tatitra avy amin’ny sekreteram-panjakana miadidy ny Tanàna vaovao sy ny trano fonenana. Haharitra 3 herinandro ny fampandehanana ireo cabines miisa 89 sy ny fanaraha-maso farany hatao mialoha […]
Mois : avril 2025
Andron’ny fahasalamana: Mbola ho taonan’ny vaksiny ny 2025
Teny amin’ny Kianjan’ny CEG Ambohimangakely no nanamarihina ny Andro maneran-tany ho an’ny fahasalamana, omaly. « Fahasalamana mandritra ny fiterahana: miantoka ny hoavy feno fanantenana » ny lohahevitra nosafidiana hitondrana ny hetsika. “Mendrika fiainana tsara hatrany amin’ny fahaterahany ny zaza tsirairay ka nasongadina ny maha zava-dehibe ny fikarakarana ara-pahasalamana ny zaza […]
“Mandinika aloha” : Hijery ny fanavaozana ilaina ny Fampianarana teknika
Manana adidy ny mpampiofana eny amin’ny Lycée teknika hanatsarana ny fampianarana teknika. “Mandinika aloha” satria tsapa fa misy zavatra tokony hojerena ny fampianarana hametrahana lova ho an’ny taranaka. Natomboka eto Antananarivo, faritra Analamanga, ny atrikasa voalohany mitondra ny lohateny “Mandinika aloha” natokana ho an’ny Lycée teknika ato anatin’ny faritra. “Nahatsapa […]
TSELATRA
Nahitana fatin-dehilahy tokony ho 50 taona, tapa-tanana sy niboridana, tao anaty kininina Ambodilaona, Ambohitseheno, ny sabotsy teo. Tsy nisy nahafantarana azy ny razana tamin’io fotoana io. Vinavinaina ho efa maty tao anatin’ny herinandro teo io lehilahy io. Lehilahy roa nifanenjehin’ny fokonolona tetsy Ambohipo, ny marainan’ny alahady lasa teo. Tratra nanao […]
Fakana an-keriny: Avotra ilay raim-pianakaviana takalonaina
Nataon’ny mpitandro filaminana hazalambo, tanaty haizina, ny andian-dahalo mpaka an-keriny tao amin’ny fokontany Ambohitranivo, kaominina Brieville, distrikan’i Tsaratanàna, afakomaly alina tamin’ny 10 ora sy 45 minitra. Dahalo enin-dahy, nitondra fitaovam-piadiana mahery vaika niditra an-keriny tamina tokantrano iray. Tsy nisy alaharo, nanambana basy ary naka ilay raim-pianakaviana 35 taona tao amin’io […]




