Mois : avril 2025

Tagnamaro

  Mahafinaritra izaitsizy ny tanàna amin’izao fotoana, hiandrasana ny fahatongavan’ny vahiny hanatrika ny fihaonamben’ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indianina. Miara-mientana avokoa ny mpikambana amin’ny governemanta. Mandray kifafa hatramin’ny minisitra manadio tanàna. Na misy aza ny fitohanana amin’ny fifamoivoizana dia mba afaka ny fahasorenan’ny maso mijery ny loto sy ny fako. Miverina ny […]

Fandraisana ny fihaonana an-tampon’ny COI: Noderain’ny Diaspora ny finiavan’ny fanjakana

Namoaka fanambarana ireo fikambanana, antoko politika, olom-pirenena tsotra ary ireo Malagasy maro anisa milaravinahitra any Eoropa. Niompana amin’ny handraisana ny fihaonana an-tampon’ny COI ny fanambaran’izy ireo. Nampirisika ny fitondram-panjakana tarihin’ny filoha Rajoelina Andry amin’ny fandraisana ilay fivoriana iraisam-pirenena eo anivon’ny COI, hotanterahina eto Madagasikara izy ireo. “Midera ny finiavan’ny fanjakana […]

TSELATRA

Roa lahy nitondra rongony 15 kg voasambotra tao Mahavokay, kaominina Mahajanga, omaly maraina tamin’ny 3 ora. Nandositra niaraka tamin’ny entana izy ireo ka voatery nanapoaka basy ny polisy. Nosavaina ny fonosana ka voamarina fa rongony avokoa no tao. Nahitana Cocktail Molotov teny anoloan’ny vavahadin’ny orinasa Pradon, tetsy Antanimena, omaly maraina […]

Fanolanana zaza 6 taona : Voasambotry ny polisy ireo roa lahy voarohirohy

Voasambotry ny polisim-pirenena avy ao amin’ny kaomisarian’Ambohimahasoa, omaly maraina, ireo roa lahy voarohirohy tamin’ny raharaha fanolanana sy famonoana zazavavikely enin-taona tany an-toerana, ny alarobia lasa teo. Rahalahan-drain’ilay zaza ny iray amin’ireo voasambotra ireo. Mpiara-monina fa manana lonilony amin’ny rain’ny zaza maty kosa ny lehilahy iray hafa, raha ny angom-baovao voaray. […]