Mois : avril 2025

MFFT sy ny Pam: Miroso ireo tetikasa

Nandray ny solontena mpanatanteraky ny Fandaharanasa maneran-tany momba ny sakafo (Pam), Tania Goossens, ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), Andriantsitohaina Naina, omaly. Notanterahina tetsy Anosy ny fihaonana ka nivoitra tamin’izany ny fandinihana ny fandrosoan’ireo tetikasa iombonana. Anisan’izany ny eo amin’ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny eny anivon’ny vondrom-bahoaka […]

“Youth Connekt Summit Africa”: Horaisin’ i Madagasikara ny hetsika

Natao teny Alarobia, omaly, ny fifanaovan-tsonia teo amin’ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena sy ny mpitarika ny delegasionina avy any Kigali Rwanda, izay manaporofo fa horaisin’i Madagasikara ny hetsika “Youth Connekt Summit Africa”. Raikitra ity! Nambaran’ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), Moustapha Marson Abdulah, omaly, tetsy Alarobia, […]

Volavolan-dalàna momba ny “ITG”: Tsy mbola tafiditra amin’ny lahadinika eny amin’ny Antenimiera

“Momba ilay volavolan-dalàna fampitsaharana ny vohoka noho ny antony ara-pahasalamana (ITG) natolotra teny amin’ny Antenimieram­pirenena, ny taona 2021, hodi­nihina sy holanian’ny solombavambahoaka ho lasa lalàna manan-kery eto amintsika, tsy mbola tafiditra ao anatin’ny lahadinika naroso hatramin’ izao aloha”, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra iray ao amin’ny ekipa mpanatanteraka ny hetsika, Andriamiara […]

Hetsika Nifin’Akanga: Boky telo natonta hanampiana ireo niharan’ny herisetra

Nampahafantarina omaly, teny An­ta­ninarenina, ny boky telo izay antontan-kevitra novokarin’ny Mala­gasy miaraka amin’ny hetsika Nifin’ Akanga ahafa­hana manampy ireo olona niharan’ny herisetra momba ny zony sy ny dingana rehetra ary ny sokajin’ olona afaka manohana azy. Natolotra omaly, teny Antaninarerina, tao anatin’ny atrikasa ny famoahana boky telo vokatry ny asa […]

TARATRY ny KANTO

« Feo roa tafaray », etsy amin’ny CCEsca Antanimena. Rahampitso alahady ity fotoan-dehibe iarahana amin’i Henri Ratsimbazafy sy i Salomon ity. Seho tsy manam-paharoa, tsy mbola nisy ary tsy hisy fanindroany, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Samy hizara ny kantony ireto raiben’ny kalon’ny omaly ireto. Hisy koa ny ampaham-potoana iarahan’izy ireo, mandritra […]