Mois : avril 2025

« Festival Vues d’Afrique » : Mamiratra any Canada ny sarimihetsika malagasy

Nanomboka ny alakamisy teo ny « Vues d’Afriques », andiany faha-41. Hetsika iraisam-pirenena hanasongadinana ny sarimihetsika afrikanina, any Canada, izy ity. Manana solontena amin’izany i Madagasikara, satria misy sarimihetsika notontosaina Malagasy mandray anjara amina sokajy telo; Ny “What if?” an’i Norohasimbola Julienne Rakotoharinivo ny voalohany, ao amin’ny sokajy “Fiction courts et moyen […]

« Zara Revy » : Vahinin’i Samoëla i Tselonina sy Ifanihy

« Efa sy sasany ». Midika izay fa anatin’ny fanamarihana ny 30 taona an-tsehatra amin’ity i Samöela. Mifanandrify amin’ny “Zara Revy” andiany fahefatra, izay hotontosaina rahampitso, etsy amin’ny Kianja Malacam izany. Tsy nanadino ireo zoky nitari-dalana azy tao anatin’izay anjoria izay, ka nanasa an’i Tselonina sy Ifanihy, i Samöela. Izy roa lahy […]

Mozean’ny saripika Anjohy: Homena sehatra ny rano sy ny tontolony

Miova lohahevitra ny fampirantiana eny amin’ny Mozean’ny saripika Anjohy. Miodidina ny rano sy ny toerana misy azy eo amin’ny fiarahamonina malagasy indray no hasongadina. Rano… Iray amin’ireo singa tsy azo ihodivirana mandrafitra ny fiainana. Singa mamono sy mamelona, manana ny toerany lehibe ao anatin’ny tontolo. Mitodika amin’izay lohahevitra “Rano” izay […]

FANTINA sy FINTINA

Nosalorana samboady, omaly, ireo ben’ny Tanàna miisa 14 voafidy tao amin’ny distrikan’i Mananjary, 28 avy amin’ny distrikan’i Ifanadiana ary 19 avy amin’ny distrikan’i Nosy Varika. Notanterahina teo an-tampo-tanànan’i Mananjary ny lanonana. Tonga nitarika izany ny filohan’ny Antenimieram­pirenena, Tokely Justin, sy ny loholona Rabema­nan­jara Nicolas. Nankatoavin’ny Rafitra ifotony fikaonandoha “SLC-R” ireo […]

Fihaonan’ny praiminisitra tamin’ny FMI: Nojerena ny fampandrosoana mipaka eny ifotony

Noraisin’ny praiminisitra, Ntsay Christian, teny Maha­zoa­rivo, omaly, ny delegasiaonina mamita iraka eto Mada­gasikara avy amin’ny Ta­hirimbola iraisam-pirenena (FMI). Mitarika izany Constant Lonkeg, niaraka amin’ny solontena maharitra, miasa sy monina eto amintsika, Kodjovi Mawulikplimi Eklou. Anisan’ny nifantohan’ny fifanakalozana teo amin’ny roa tonta ny momba ireo ezaka rehetra irosoana amin’ny fanatanterahana ny […]