Natolotry ny Fondation Hiroshi Uchida-Daiho, ny alatsinainy 31 marsa teo, ny vatsim-pianarana ho an’ny mpianatra miisa dimy. Nampiavaka ny tamin’ity taona ity, lasa dimy ny mpisitraka raha 3 teo aloha, sady nampiakarina ho 1 500 000 Ar ny vatsim-pianarana, raha 1 000 000 Ar tamin’ny taon-dasa. Izay mpianatra mendrika no anisan’ny masontsivana […]
Mois : avril 2025
Atrikasam-paritr’i Afrika Atsinanana: Hatsaraina ny fitantanan’ireo kaominina ny fako
Mila hatsaraina ny fitantanan’ny kaominina ny fako. Anisan’ny avoitra amin’ny atrikasam-paritr’i Afrika Atsinanana mandritra ny telo andro izany. Nanomboka omaly hitohy rahampitso ny atrikasam-paritra iraisan’i Afrika Atsinanana momba ny fitantanana ny fako. Tanjona iraisan’ny rehetra ny hanatsarana ny politikam-panjakana momba ny fako sy ny fanamby goavana miandry amin’izany. Nambaran’ny minisitry […]
INDRAY MIJERY
Nitsidika ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, tao Anosy, ny solontenan’ny UNFPA Yaguibou Josiane, omaly. Noresahina, nandritra izany, ny fanamafisana ny fiaraha-miasa. Niarahaba manokana ny minisitra izy ny amin’ny fahaiza-mitarika eo amin’ny sehatry ny fanabeazana amin’ny ankapobeny ary indrindra eo amin’ny fanomezana anjara toerana lehibe ho an’ny vehivavy sy ny ankizivavy. Ho […]
Famarinana olombelona : Tsara ny ezaka vitan’i Madagasikara ny 2024
Raha ny tombana tamin’ny taon-dasa, araka ny tatitry ny Birao mahaleo tena miady amin’ny famarinana olombelona, nisy fandrosoana lehibe hita teo amin’ny ady amin’ny fanondranana olona antsokosoko, teto Madagasikara. Nisy ny ezaka niarahan’ny sampandraharaham-panjakana, ny firaisamonim-pirenena, ny sehatra tsy miankina ary ny mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena nahazoana izany vokatra izany. Nahitam-bokany ny […]
BNGRC: Nahazo fampifan-draisana Starlink
Nahazo fitaovana fampifandraisana Starlink miisa 45 avy amin’ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra, ny paositra ary ny fifandraisan-davitra ny Birao nasionaly misahana ny fitantanana ny tandindon-doza sy ny loza (BNGRC), ny herinandro lasa teo. Hametrahana amin’ny fomba ofisialy ny fanohanana ara-niomerika atolotry ny MNDPT ho an’ny BNGRC ny fahazoana […]




