Mois : avril 2025

Boky sy ny zon’ny mpamorona : Hifanatrika ny mpisehatra sy ny Omda

Adihevitra tena ilaina. Hotontosaina anio manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro, etsy amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy ny velakevitra arahina ady hevitra manodidina ny «Boky sy ny zon’ny mpanoratra: Ny olana sy ny fanamby». Hi­fanatrika mandritra io fotoana io Rarivojaona Joelinirina, talen’ny Ofisim-pirenena misahana ny zon’ny mpamorona na Omda, Razafintsalama Marie […]

Iray volan’ny teny malagasy : Nikaondoha ireo mpanomana

Ho maromaro ny hetsika hanamarihana ny «Iray volan’ny teny malagasy», ny volana jona ho avy izao. Tafiditra ihany koa anatin’ny fankalazana ny faha-65 taona niverenan’ny fahaleovantena izany, ka nisy ny fikaonandoha nataon’ireo mpikarakara ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny foibe momba ny teny ao amin’ny Akademia Malagasy. Tapaka nandritra izany […]

« Festival Dôla Beach » andiany faha-13 : Handray an-dry Wawa sy Black Nadia i Vatomandry

Efa fotoam-bita isan-taona, any Vatomandry. Hahoraka indray ny fetin’ny Paka, mandritra ny andiany faha-13 amin’ny “Festival Dôla Beach”. Niampy ireo karazam-pialamboly, fa ny fampisehoana no lehibe indrindra amin’izany. Lanonana andro aman’ alina, ny 18 hatramin’ny 21 avrily. Efa anatin’ny famaranana ny fanomanana ireo mpikarakara ny “Festival Dôla Beach” andiany faha-13 […]

FANTINA sy FINTINA

Nambaran’ny filohan’ny Repoblika, nandritra ny fanapahana fifehezana “Iftar” ara-pirahalahiana nanasana azy fa mivoy ny faharetana, ny fandavan-tena sy ny fankasitrahana ny soa azo rehetra ny ramadany. “Soatoavina anisan’ny ahafahana manorina firenena matanjaka sy mandroso izany”, hoy izy. Nodimandry omaly, ny depiote teo aloha, voafidy tao Sambava, Jaosoa Jean Pascal. Solombavam­bahoaka […]

Filohan’ny Antenimierampirenena: “Tsy manaotao foana izany ny ben’ny Tanàna”

Nosalorana samboady ny herinandro teo ny ben’ny Tanàn’ i Toamasina, Andria­fa­no­mezantsoa Lovaheritiana Alain, na i Zoky Alain. No­tanterahina teo anoloan’ny Lapan’ny tanàna, eo amin’ny araben’ny fahaleovantena izany. Hentitra ary nazava ny lahatenin’ny filohan’ny Anteni­mi­erampirenena, Tokely Justin. “Tsy manaotao foana izany ny ben’ny Tanàna”, hoy izy. Anisan’izany ireo fepetra noraisin’ny mpitantana, […]