Antoka amin’ny fampandrosoana ny firenena ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Nambaran’ny filoham-pirenena Rajoelina Andry tamin’ny lahateniny, nandritra ny fanokafana ny fihaonana an-tampon’ny filoham-pirenena sy governemanta eo anivon’ny vaomieran’ny ranomasimbe indianina (COI), fa « fanamby ny hahatongavan’i Madagasikara ho sompitry ny famokarana aty amin’ny ranomasimbe indianina sy aty amin’ny kaontinanta Afrikanina afaka taona vitsy». […]
Mois : avril 2025
Vaomieran’ny Ranomasimbe Indianina : Vonona ny hifanampy ny firenena mpikambana
Nifarana tao anatin’ny firahalahiana ny fihaonambe fahadimin’ny Vaomieran’ny Ranomasimbe Indianina. Tapaka fa hamafisina ny fiaraha-miasan’ny mpikambana. Nizotra tamim-pilaminana, vita hatramin’ny farany ny fihaonambe an-tampony teo amin’ny firenena mikambana ao anatin’ny Vaomieran’ny Ranomasimbe Indianina. Tapaka nandritra ny dinika fa hamafisina ny fiaraha-miasa aty amin’ny faritra indrindra. Toraka izany ny fiaraha-miasa amin’ny […]
Hazakazaka bisikileta: Mpanazatra 14 nahavita fiofanana
Nifarana tamin’ny sabotsy 19 avrily 2025, tetsy Ivandry, ny fampiofanana ireo teknisiana miisa 14 mianadahy, 12 lahy sy roa vavy, izay milofo amin’ny taranja bisikileta. Araka ny fanadihadiana natao, haazo ny marim-pahaizana faharoa izay hita fa mendrika tamin’ity fiofanana ity. Raha ny fanazavana azo teny an-toerana, havoakan’ny Federasionina Iraisam-pirenena UCI […]
SOMBIM-BAOVAO
Araka ny vaovao niely tao anaty tambajotran-tserasera, ny afakomaly, lasa mpilaravinahitra any amin’ny nosy rahavavy La Réunion, i Jean Yves. Ny klioban’ny AS Marsouins no naka an’ity loharana malagasy ity. Tsiahivina fa anisan’ireo mpilalao nahazoan’ny Barea ny medaly alimo tamin’ny Chan 2022 teo, i Jean Yves. Nisaraka ady sahala 5 […]
Rugby U18 – AROI 2025 : Nanao pao-droa ny Makis
Mbola noporofoin’ny Makis de Madgascar fa mpanjakan’ny rugby eto amin’ny ranomasimbe Indianina izy ireo. Norombahin’izy ireo avokoa mantsy ny amboara teo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina (Aroi), sokajy U18 lahy sy vavy. Fihaonana, natao tetsy amin’ny kianja Andohatapenaka ny alatsinainy 21 avrily lasa teo. Teo amin’ny sokajy vehivavy, […]




