Notontosaina ny 22 avrily lasa teo, tany Maorisy, ny fivoriambe sy fifidianana teo anivon’ny federasionina afrikanina taranja fibatana fonjamby. Voafidy ho filoha lefitra Randriamanarivo Harinelina Jean Alex. Randriamanarivo Harinelina Jean Alex, izay filohan’ny federasionina malagasin’ny fibatana fonjamby no voafidy ho filoha lefitra eo anivon’ny federasionina afrikanina ny taranja Weightlifting na […]
Mois : avril 2025
Ben’ny Tanànan’Antananarivo: Ezahina ny fanavaozana sy fanadiovana ny tanàna
Nanatanteraka fitsidihana teny anivon’ny toerana maro samihafa eto Antananarivo ny ben’ny Tanànan’Antananarivo, Ramanantsoa Harilala, afakomaly. Anisan’izany ny farihin’Anosy, ny tunnel Ambanidia, ny lapan’Andafiavaratra sy ny maro hafa. “Averina amin’ny endriny taloha ny farihin’Anosy ary mitohy ny fanadiovana manodidina an’Anosy mba hitondrana fanavaozana sy fanatsarana ny tanàna”, hoy izy. Toy ny […]
Fanaovan-gazety : 70 taona ny Imongo Vaovao
22 avrily 1955-2055. Feno 70 taona ny gazetin-kevitra Imongo vaovao, nomarihina teny Ampandrana, afakomaly, notarihin’ny tomponandraikitra Rabesahala Jean Luc. Notsiahiviny fa fameloma-maso ny asa sy ny foto-kevitra navelan’i Jean Ralaimongo no tanjona. Tao anatin’ny vanim-potoana nitakian’ny zanatany fahaleovantenany no nahaterahan’ny Imongo Vaovao. Niaina ireo vanim-potoana fanjanahantany izy, ny fanjanahantany tamin’ny […]
Fahatongavan’ireo delegasionina : Nitsena ireo vahiny rehetra ny Praminisitra Ntsay Christian
Nisahana ny fitsenana ireo vahiny, filoham-panjakana sy lehiben’ny governemanta teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny Praiminisitra Ntsay Christian amin’izao hiatrehana ny fihaonana an-tampon’ny COI izao. Vahiny voalohany notsenainy, afakomaly, ny filohan’ny Repoblikan’i Seychelles, Wavel Ramkalawan sy ny vadiny, Linda Ramkalawan. Anisan’ireo handray anjara amin’ny fivorian’ny COI, hatao eny Ivato, anio izy […]
INDRAY MIJERY
Ny fianarana teny vahiny no nisantarana ny fiofanana voalohany tao amin’ny faritra Alaotra Mangoro, anatin’ny hetsika “Fijery hafa” miaraka amin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa. Miisa 567 ireo nisitraka fiofanana. Anisan’ny sampana tena nisongadina tao amin’ny faritra ny voly legioma sy anana ary ny fanamboarana zezika sy ny […]




