Mois : avril 2025

Maninday Toliara: Ho tonga ny “transformateur” vaovao

Ho famahana ny olan’ny mpianatra ao amin’ny Oni­versiten’i Toliara manokana, efa niverina tanteraka ny jiro ary ho tonga amin’ny faran’ny herinandro izao ny “transformateur” vaovao ho fanampiana ny tanjaky ny jiro ao an-toerana. Mikasika ny vatsim-pianarana, hivoaka tsy ho ela ny tetiandro aorian’ny fankatoavana ataon’ny Paositra malagasy, ny minisiteran’ny Fampiroboroboana […]

Brigitte Macron sy Rajoelina Mialy : Nitsidika ny ivontoerana fandraisana ireo niharan’ny herisetra

Noraisina tamin’ny fomba ofisialy ny filoha frantsay, Emmanuel Macron sy ny vadiny teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, omaly. Taorian’izay, nihazo avy hatrany ny Centre de prise en charge intégré des victimes de violences basées sur le Genre Mahamasina ny vadin’ny filoha frantsay, Brigitte Macron sy ny vadin’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Mialy. […]

Fandevenana ny Papa François: Lasa any Vatican ny kardinaly Tsarahazana

Nihazo ny any Vatikana, omaly ny kardinaly, ny Mgr Tsarahazana Désiré hiatrika ny fandevenana ny Papa François. Hotanterahina ny sabotsy izao, manomboka amin’ny 10 ora maraina izany, ao amin’ny Bazilikan’ny Sainte Marie Majeure. Aorian’izany, tanterahina eo anelanelan’ny 12 hatramin’ny 20 andro aorian’ny fahafatesan’ny papa ny fihibohana “Conclave”, hifidianana ny handimby […]

Fandraisana ny filoha Frantsa: Voaporofo ny fahaizan’ny Malagasy mandray vahiny

Henin-kaja sy voninahitra ny Malagasy tamin’ny fandraisana ny filoha Frantsay, Emmanuel Macron sy ireo filoham-panjakana, hafa, tonga eto Madagasikara. Nilamina amin’ny ankapobeny ny fandraisana ireo vahiny. Nirindra avokoa ny fifamoivoizana tamin’ireo lalana rehetra teto an-drenivohitra, omaly. Nanohy ny asany andavanandro ny fiara fitateram-bahoaka sy ireo zotra nasionaly. Tahaka izany koa […]