Mirefy 80 km ny ampahany voalohany amin’ny Arabe migodana, miainga eto Antananarivo, eny Tsarasaotra (PK0), hatrany Anjozorobe. Natao ny 8 hatramin’ny 17 avrily teo ny fanoritana ny tohin’ny lalana handalovan’ny tetikasa, eo amin’ny PK40 hatrany amin’ny PK80 (Anjozorobe). Notetezina daholo ny toerana, ny vohitra sy tanàna, miainga any Antanetibe-Anjeva, ny faritra atsinanan’Anjozorobe, Antanetibe-Tafaina, Ambohimandroso Avaratra sy Atsimo. Nitohy tany Ambohibezoma, Ambohibeloma-Morarano, Morarano-Ampamoha, hatrany Ambohimanadera misy ny Faritra arovana Angavo.
Nojerena koa ny mety ho sakana lehibe rehetra, ireo teboka na toerana ilaina fitandremana, ireo faritra manan-kasina sy saro-pady amin’ny lafiny sosialy, kolontsaina, ara-tontolo iainana sy ny ara-teknika samihafa.
Nisy ny fihaonan’ny ekipa teknika tamin’ireo solontenam-panjakana eny ifotony sy ny solontenam-pokonolona. Niara-dia, nidina teny an-toerana, ny tompon’andraikitry ny minisiteran’ny Asa vaventy (MTP), ny orinasa Samcrete manatanteraka ny asa, ny Ofisim-pirenena momba ny tontolo iainana (ONE) ary ny fikambanana miaro ny tontolo iainana (ONG Fanamby) mitantana ny Faritra arovana Angavo. Fantatra fa tsy hahakasika, tsy handalo any amin’ ity faritra ity ny soritry ny Arabe migodana. Tsiahivina fa mitotaly 260 km ny halavan’ny arabe Antananarivo-Toamasina.
Njaka A.




