SOMBIM-BAOVAO

Misaona ny tontolon’ny tenisy malagasy. Nindaosin’ny fahafatesana ny alakamisy lasa teo, Rakotonindriana Josoa, izay filohan’ny ligin’Ana­lamanga teo aloha sady mpanazatra ny ekipam-pirenena tamin’ny fotoanandrony. Izy no nitarika ny delegasiona malagasy niatrika ny lalao Olympika natao tany Athènes, ny taona 2004.

Horaisina ao Toamasina, amin’ity anio ity ireo mpilalao tsipy kanetibe avy nandrombaka ny ho tompondaka maneran-tany dia i Liva sy i Lova ary i Balôty sy i Tendry miaraka amin’i Hery, mpanazatra azy ireo. Hanatrika ny “Tournoi Letchi”, hotanterahina amin’ity sabotsy ity sy rahampitso izany.

Hotanterahina any Goteborg Suède, ny 2 ka hatramin’ny 5 septambra amin’ny taona 2027 ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja tsipy kanetibe ho an’olon-tokana, lahy sy vavy, ny olon-droa lahy sy olon-droa vavy miaraka ary ny olon-droa iarahan’ny lahy sy vavy.

Partager sur: