Noraisin’ny Federasiona malagasin’ny Tsipy kanetibe, tetsy Ankasina, ny afakomaly teo, ny delegasiona malagasy izay nitondra ny medaly volamena, tamin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, Mondial, izay natao tany Thailande farany teo. Nilaza ny eo anivon’ny rafitra federaly mitantana ity taranja ity, fa manana vina goavana ny hampiantrano an’ity fifanintsanana iraisam-pirenena ity i Madagasikara, amin’ny taona 2028.
Nanamafy izy ireo fa maro ny asa miandry amin’ny fanatanterahana izany, ary mety hatomboka tsikelikely amin’ny fandraisana ny fifaninanana iraisam-pirenena ho an’ny sokajy zandriny “junior” izany.
Tsiahivina fa ny taona 2016 no nandraisan’i Madagasikara izany Mondial, ho an’ny olona telo miaraka izany farany, ary ny malagasy mpilalao ihany nandrombaka ny medaly volamena. Ampahafantarina ihany fa intelo tamin’ity izay i Madagasikara no voahosotra ho tompondaka maneran-tany, teo amin’ny olona telo miaraka. Anisan’izany ny taona 1999, tatsy La Reunion, ny 2016, teto Antananarivo, ary ny 2026, tany Thailande.
F.R





