Hotanterahina etsy amin’ny Zital Ankorondrano, ny sabotsy sy alahady izao, ny hetsika “Mada Dog show”, andiany fahenina. Hetsika fampirantiana sy fifaninanana ho an’ireo alika tsara karazana. “Hiavaka ny seho amin’ity taona ity satria afaka mandray anjara amin’ny fifaninana iraisam-pirenena izay ankatoavin’ny Fédération cynologique internationale(FCI) ny alika voasafidy tsara indrindra mandritry […]
Mois : mai 2025
Filoha Rajoelina Andry tao Amboasary: Tokantrano 4 500 nizarana Vatsy tsinjo, hisy ny fivarotana vary mora
Tonga tao amin’ny distrikan’Amboasary Atsimo, faritra Anosy, ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry mivady sy ny mpikambana maromaro ao amin’ny governemanta, omaly. Ho fiahiana ara-tsosialy ho an’ny mponina ao an-toerana, nisy ny vatsy natolotra azy ireo nandritra ny hetsika. Nitondra fanampiana Vatsy tsinjo ho an’ny tokantrano miisa 4 500, ahitana vary […]
TSELATRA
Nidoboka eny amin’ny fonjan’Antanimora, afakomaly, ilay jiolahy raindahiny, iray tamin’ireo namono ilay mpanakalo vola tetsy Analakely, ny volana janoary 2025 lasa teo. Voasambotry ny polisin’ny BC Anosy teny Andohanarofotsy izy, ny 10 mey 2025 rehefa niafina nandritra ny fotoana ela. Nahitana basy Makarov calibre 9 mm, misy bala 10 sy […]
Lozam-pifamoivoizana tetsy Itaosy: Nalefa eny Antanimora ilay mpilalao sarimihetsika
Niakatra fampanoavana teny anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany Anosy, omaly, ny raharaha nahavoasaringotra mpilalao sarimihetsika iray. Naiditra vonjimaika am-ponja eny Antanimora izy taorian’ny fivoahan’ny didy. Voarohirohy tamin’ny lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona tetsy Bemasoandro Itaosy, ny alin’ny sabotsy lasa teo, tamin’ny 11 ora, izy. Tsiahivina, nitondra fiara marika Mercedes-Benz CLK izy tamin’io fotoana […]
Fanina tampoka: Vehivavy latsaka tao an-davadrano
Namoy ny ainy ny ramatoa iray latsaka tampoka tao an-davadrano teny Fitraofana, kaominina Talatamaty, ny alarobia 14 mey teo. Nisinton-drano toy ny fanaony andavanandro izy. Nandatsaka ny siny tany tanaty lavaka kinanjo fanina tampoka. Nirona nanaraka ny tady ka nifamonjena. Nananosarotra ho an’ny mponina manodidina ny fanavotana io niharam-boina io. […]




