Mitondra vokatsoa eo amin’ny sehatry ny fahasalamana ny fampiasana drones hitatitra ireo filana fototra any amin’ ny CSB saro-dalana. Misongadina ny fanatsarana ny fanaovam-baksiny satria tonga ara-potoana ireo fitaovana ilaina rehetra.
Nampahafantarina omaly, tetsy Anosy, ny vokatry ny fanadihadiana amin’ny fahombiazana amin’ny fampiasana drones eo amin’ny famatsiana fanafody sy vaksiny ary kojakoja ara-pahasalamana.
Manampy betsaka amin’ny fanavotana aina any amin’ny toerana lavitrandriana ny fampiasana ity fitaovam-pitaterana ity nanomboka ny taona 2019 hatramin’izao. Olona manodidina ny 2 tapitrisa no afaka misitraka tombony amin’ izany.
Miasa amin’ny faritra 9, misy distrika 26, ary CSB 240, izy io amin’izao fotoana. Nahatratra 8 000 mahery ny sidina efa natao tamin’ny famatsiana tanàna. Kojakoja ara-pahasalamana milanja 14 taonina no efa notaterina tao anatin’izany.
Tafiditra ao anatin’ny kojakoja notaterina ny vaksiny, mahatratra 1 700 000 fatra. Kojakoja miaro amin’ny tazomoka 400 000 isa any amin’ ireo CSB tena saro-dalana. Fandrindram-piterahana 350 000 isa naparitaka tamin’ny alalan’ny drones. Ankoatra izay, ny kojakoja ara-pahasalamana ho an’ny reny sy ny zaza izay tena imasoana ihany koa ny tsy hahatapaka azy any amin’ny toeram-pitsaboana.
Anisan’ny vavolombelonan’ny vokatsoa entin’izany ny fitaterana fanafody any Anosibe An’Ala izay iaraha-mahalala ny lalana. Vitan’ity fitaovana ity ao anatin’ny 10 mn anefa ny mamatsy ireo CSB.
Vatsian’ny Gavi sy ny l’Alliance du vaccin ara-bola ny tetikasa famatsiana ny fitaovana ara-pahasalamana amin’ny alalan’ny drones. Iarahana amin’ny PSI Madagascar sy ny Fonds d’innovation pour le développement ary ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka izany.
Nanomboka tamin’ny taon- dasa, nitarina tany atsimo atsinanan’ny Nosy ny fiasan’ ity fitaovana mamatsy vaksiny ity. Lalana 100km mandroso ary 100 km miverina no vitan’ ny sidina iray iray ka mahazaka entana hatrany amin’ny 10 kg izy.
Tatiana A




