Ho fanatsarana ny fisitrahan’ny tanora fiofanana arakasa sy ny fahaiza-manao niomerika eto amintsika, hiara-hiasa ny orinasa Orange Madagascar sy ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa. Nifampidinika momba ny tohin’ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta, tamin’ity herinandro ity, ny minisitra Andriamampandry Todisoa Manampy sy ny talen’ny fifandraisana sy ny serasera amin’ny andrimpanjakana ao amin’ny Orange, Rahantanirina Vavitsara. Tanjona ny hampifanaraka ny fiofanana omena ny tanora amin’ny firotsahana ho an’ny tontolon’ny asa. Efa manana ny Orange Digital Center sy ny Orange solidarité Madagascar ny Orange Madagascar hanampy ireo tanora hifehy ny niomerika sy hanokatra tolotrasa vaovao ho azy ireo.
Manana fahaizana ny tanora malagasy fa mila hamafisina amin’ny fiofanana, indrindra ho an’ny tontolo niomerika izay miroborobo amin’izao fotoana izao eto amintsika sy any ivelany, izany.
“Betsaka ny tolotrasa mifandraika amin’ny niomerika izay fanararaotra tsara ho an’ny tanora ka izay no ilana ny fampifanarahana ny fiofanana sy ny filan’ny tontolon’ny asa. Izay no fototry ny fiaraha-miasan’ny roa tonta”, hoy ny solontenan’ny Orange.
Vonjy





