INDRAY MIJERY

Tanterahina ao amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely ny fikaonandoha momba ny CMH. Mifantoka amin’ny fandinihana sy fampahafantarana ny andraikiny eo anivon’ny fiarahamonina izany. Tanjona ny hananganana renivohitra madio, salama ary mendrika amin’ny alalan’ny fiaraha-mientan’ny kaominina sy ny mponina.

Nifarana ny faran’ny herinandro teo ny fifaninanana Science Hackday, andiany faha-11. Namolavola tetikasa sy vahaolana vaovao azo hampiharina, hamaliana ireo filan’ny fiarahamonina, ny tanora mpianatra sy mpisehatra amin’ny siansa malagasy ary manohana izany tanteraka ny Mesupres.

Nanolotra kidoro ho an’ny CHRD1 Analalava ny fikambanan’ireo mpivarotra fanafody ao Sofia. Fanehoana ny fiaraha-mientana ho an’ny fahasalamam-bahoaka ny hetsika. Naneho fahavononana hampiasa izany araka ny tokony ho izy ny hopitaly, ho tombontsoan’ny marary.

Partager sur: