Fetim-pirenena fahiny : Nomen-danja ny kolontsaina malagasy

26 jona 1960, nanomboka teo ny lanonana ho famalifaliana ny Malagasy. Mbola ny vahiny no nandrindra ny hetsika tamin’ny ankapobeny. Na izany aza, nomen-danja ny kolontsaina sy ny zavakanto malagasy.

26 jona 1960, noho ny lamina nifanarahan’ireo firenena lehibe mpanjanaka. Naverin’ny Frantsay tamin’i Madaga­sikara ny fahaleovantena efa nananany teo aloha. Nanom­boka teo, nampifaliana tamina lanonana sy fety ny Malagasy. Nisongadina isaky ny kianja malalaka nanerana ny Nosy ny « podium ». Samy nikarakara ny azy ny isam-paritany. Nanampy sy nanohana ny taty amin’ny fitondrana foibe, raha nilaina.
Niezaka nampifalifaly ny Malagasy ny mpitondra tamin’izany. Fantatra mazava tamin’izany fa mbola ny vahiny no tao ambadiky ny mpitondra tamin’ny fitantanan-draharaha ankapobeny isan-tse­hatra. ..Nisongadina kosa, anefa, fa ny kolontsaina sy ny zavakanto malagasy no nomen-dry zareo hasina sy lanja lehibe indrindra isaky ny fanamarihana ny 26 jona.
Ho an’ny teto an-dRe­nivohitra sy ny manodidina. Nisongadina ny kermesy izay nahitana karazana fifaninanana kolontsaina sy zavakanto maro. Tao ny vakodrazana, ny dihy malagasy, ny hiragasy, ny fiakarana hazo malama, fifaninanana fanorona, sns.
Taty aoriana, na naverina aza ilay anarana « podium », niova tsikelikely ny zava-nisy. Nandritra ny Repoblika voalohany, nisongadina fatratra io fanajana sy fanomezan-kasina ary lanja ny kolontsaina sy ny zavakanto malagasy isaky ny 26 jona io… Taona 1975, na­nomboka tazana tao anatin’ny «Fetim-pire­nena Ma­la­gasy» ny zavakanto sy kolontsaina kaominista, toy ny «mi­ta­be» … Nanomboka na­tao an-jorombala ireo zavakanto malagasy… Nandeha ny fotoana, niova izany ka ireo mpanakanto malagasy mpanindraindra ny zavakanto sy ny kolontsaina vahiny izao indray no omena laka. Tsy hita intsony ireo karazam-pifaninanana sa­mihafa… Ho an’ny mpanadihady momba ny fiarahamonina, mbola hiova endrika « hono » izy io any aoriana any!

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: