Tohana ara-tsakafo ho an’ny mpanala CEPE. Nahazo sakafo masaka sy mafana ireo mpianatra miisa 340 tao Tsiroanomandidy ka velom-pisaorana ireo ray aman-dreny. Nisy ihany koa ny fitsidihana ireo efitra fanaovana fanadinana niaraka tamin’ny ben’ny Tanàna sy ireo tomponandraikitra ao Ambatolampy.
Nahazo mariboninahitra « Commandeur de l’ordre national malagasy” ny Pr Lily-Arison René de Roland, afakomaly, tetsy Nanisana. Nanolotra izany ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy (Medd), Max Andonirina Fontaine.
Tanora miisa 1 250, ao amin’ny faritra Androy, no nahavita fiofanana sy fahaiza-manao mivaingana. Nisongadina sy nahasarika ireo mpiofana tamin’izany ny taranja Mécanique Moto. Mba hahafahana miroso kokoa eo amin’ny sehatry ny asa, Tafiditra ao anatin’ny hetsika «Fijery Hafa» izy io.
Nidina ifotony nijery ny fandroson’ny asa ao amin’ireo tetikasa lehibe ny minisitry ny Asa Vaventy, Rafidison Richard Theodore, omaly maraina. Nojerena manokana ny fanitarana ny rocade mankany Ivato sy
ny fanamboarana ny ampahany voalohany amin’ny lalambe migodana Antananarivo mampitohy an’i Toamasina.




