Minaonaona tsy amin’antony  

Anisan’ny firenena manana olona tia mimenomenona sy miresaka i Madagasikara. Raha vava aloha dia samy manana tokoa. Olombelona tompon’ny hevitra ihany koa satria dia tena mahay sy be atidoha. Tsy vitan’izay fa anisan’ny mponina tena fetsy na amin’ny tsara na amin’ny ratsy. Raha atao bango tokana, ampy ny hoenti-miatrika izao krizy ara-tsosialy sy ara-toekarena mianjady amin’ny sarambabem-bahoaka izao raha ny moraly sy ny fahaiza-manao.
Indrisy anefa, lany amin’ny fifanasana vangy tsy amin’antony sy ny fanaovana resabe ny ankamaroany. Tsy misy intsony na zara raha misy ny olona mahay mamadika ny resaka ho tetikasa sy fanapahan-kevitra mitondra soa. « Mitatasika », hoy ny fiteny mahazatra. Tsy misy ventiny fa natao handaniam-potoana sy hanalana hamohamo mandalo fotsiny. Tena hadino na modian-tsy fantatra fa « vola » anie ilay fotoana.
Inona moa no ilazana izany? Mankalilo sy mandratra sofina ny mahare fa mahantra na sahiran-dava ilay Malagasy? Ny fotoana anefa toa tsy asiam-bidiny. Ny ora sy minitra lasa dia tsy misy miverina intsony. Toy ny rano raraka ihany io, tsy azo raofina intsony. Mampa­lahelo ny zava-misy, toa miara-mirona faobe any amin’izay fanaovana tsinontsinona ny fotoana hoenti-miasa izay ny vahoaka malagasy.
Tsy natao « hinaonaonana » fahatany. Mitaky asa sy fandraisana andraikitra fa na « ny tranom-pody aza izao tsy vitan’ny vava » intsony, hoy ilay oha-pitenena nahazatra nasiam-panovana kely. Mila mijoro sy sahy ny olom-pirenena rehetra. Mila maka ny andraikitra manandrify azy ny tsirairay. Tsy tokony hiandrasana fahagagana amin’Andriamanitra na avy amin’ny mpitondra fanjakana izany. Samia mandinika lalina!

r.r

Partager sur: